Boky fahatelon' ny Mekabiana
Ny Boky fahatelon' ny Mekabiana dia boky ao amin' ny Baibolin' ny Fiangonana ôrtôdôksa etiôpiana. Deoterôkanônika io boky io ao amin' io Baiboly io fa apôkrifa izy ho an' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa hafa ary pseodepigrafa ho an' ny Prôtestanta. Izy no fohy indrindra amin' ny bokin' ny Mekabiana satria misy toko 10 fotsiny.
Manomboka amin' izao teny izao ilay boky: "Ary ireo nosin' i Ejipta dia hihoby ...". Misy fitantarana ankapobeny momba famonjena sy famaizana ny ao amin' io boky io, izay ahitana ohatra avy amin' ny fiainan' ny patriarka samihafa ao amin'bny Baiboly, toa an' i Adama sy i Joba ary i Davida mpanjaka.
Ao amin' ny litorjian' ny Fiangonana ôrtôdôksa etiôpiana dia mitambatra ho boky iray ny Boky faharoa sy ny Boky fahatelon' ny Mekabiana.