Aller au contenu

Jôba

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Joba)
I Joba, sary nataon' i Léon Bonnat, taona 1880

I Jôba na Joba dia olona resahina ao amin' ny Baiboly ao amin' ilay boky mitondra ny anarany (Bokin' i Jôba). Ao amin' ny Tanakh izy dia atao amin' ny teny hebreo hoe אִיּוֹב / ʾIyyôv. Ny boky masin' ny silamo (Kor'any) koa dia miresaka an' i Jôba izay ataony amin' ny teny arabo hoe أيّوب  / 'Ayyûb [1]). I Jôba no maneho ny finoan' olo-marina navela ho sedrain' i Satana, araka ny fanomezan-dalan' Andriamanitra (Jôba 1:9-12).

Tantaran' i Jôba

[hanova | hanova ny fango]

Tantaran' i Jôba araka ny Baiboly

[hanova | hanova ny fango]

Na dia olo-marina aza i Jôba (Jôba 1:1), ny anarany dia avy amin' ny fizahan-toetra nataon' i Satana azy mba hijerena na hatoky an' Andriamanitra hatrany izy na tsia (Jôba 1:1). Niaritra ny faharavan' ny fananany (Jôba 1:14) sy ny faharinganan' ny zanany (Jôba 1:18-19) ary ny fijaliany noho ny vay nahazo azy (Jôba 2:7). Nanana zanakalahy fito sy zanakavavy telo i Jôba (Jôba 1:2) izay maty daholo tao amin'ny firodanan' ny tranon' ny lahimatoany tamin' ny fiandohan' ilay fitsapana (Jôba 1:18-19). Niaritra ihany koa ny fanomezan-tsiny nataon' ny sakaizany telolahy azy izy nefa tsy niala tamin' ny fitokisany amin' Andriamanitra. Hohazavain' Andriamanitra aminy fa tsy tokony ho refesin' ny fijerin' olombelona ny fitsarany, ary haverina roa heny amin' i Jôba indray ny fananany. Hahazo zazalahy fito sy zazavavy telo indray i Jôba rehefa vita ny fisedrana azy. Ny zananivavy telo farany dia atao hoe Jemima sy Ketsia ary Kerena-Hapoka (Jôba 42:14).

Tantaran' i Jôba araka ny Kor'any

[hanova | hanova ny fango]

Ny Kor'any dia manao an' i Aioba (arabo: 'Ayyoûb) ho mpaminany ambony toetra sy malala-tanana. Tia azy fatratra Andriamanitra satria anisan' ny mpanompo be fanetren-tena sy nanompo amim-pahatsoratra izy. Nanampy ny kamboty izy, ary nanome sakafo ny mahantra. Hitan' i Satana ny fanoloran-tenan' i Aioba amin' Andriamanitra, ka nanapa-kevitra i Satana hitarika azy amin' ny tsy izy nefa tsy nahomby izany. Nataony toraka izany koa ny vadiny atao hoe Rahma nefa tsy nahomby koa izany. Nianjadian' ny fahoriana mafy i Aioba ka nijaly tamim-paharetana. Izao no voasoratra ao amin' ny Kor'any:

"Tsarovy koa i Aioba mpanompontsika, tamin' ny nanaovany izao teny izao tamin' ny Tompony: Nataon' i Satana reraky ny aretina maro sy ny fampijaliana aho. Nisy feo niteny mafy taminy hoe: Kapohy amin' ny tongotrao ny tany. Dia nataony izany, ka nisy loharano nifantsitsitra. Hataonao hidiovana io rano io; mangatsiatsiaka io, ary hisotro aminy ianao. Naverintsika aminy ny ankohonany, sady nampiantsika mitovy amin' izay nisy teo. Porofon' ny famindram-pontsika izany sady fampitandremana ho an' ny olona manan-tsaina (Ny Kor'any, "Sad", 38:40-44).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Ny Tiorka dia manao hoe Eyüop.