Boky masin' ny silamo

Avy amin'i Wikipedia

Ny boky masin' ny silamo dia lahatsoratra inoan' ny Miozolmana fa nosoratan' i Allah tamin' ny alalan' ny mpaminany nandritra ny tantaran' ny olombelona. Mino ny fisian' ny boky nalefan' Andriamanitra ety an-tany ny silamo, dia ny Torah (توراة‎) / Tawrat) nambara tamin' i Mosesy, ary ny Salamo (الزَّبُورُ‎ / Zabūr) nambara tamin' i Davida, ny Evanjely (إنجيل / ʾInjīl) nambara tamin' i Jesoa, ary ny Kor'any (القرآن‎ / al-Qurʼān) nambara tamin' i Mohamady. Ireo bokin' ny fivavahana mônôteista ireo dia avy amin' ny boky tokana atao hoe Renin' ny boky (soràta 3.7 sy soràta 13.39) izay tsy nambara manontolo amin' ny olona fa amin' ny ampahany ihany. Ireo boky ireo, amin' ny finoana miozolmana, dia manambara ny amboaram-pitsipika sy lalàna izay nodidian' Andriamanitra ho an' ny olombelona. Misy koa ny boky fanampiny toy ny Horonam-bokin' i Abrahama (صحف إبراهيم‎ / Ṣuḥuf ʾIbrāhīm), ny Horonam-bokin' i Mosesy ( صُحُفِ مُوسَىٰ‎ / Ṣuḥuf Mūsā), ary ny Bokin' i Joany Batista (كتاب يحيى / Kitāb Yaḥyā). Ny Kor'any no mirakira ny fanambaràna farany.