Bahaisma aty Afrika

Avy amin'i Wikipedia

Ny bahaisma aty Afrika dia nanomboka tamin' ny androm-piainan' ny lohandohany telo tao amin' ilay fivavahana, dia i Baháʼu'lláh sy i ʻAbdu'l-Baha ary i Shoghi Effendi, izay samy taty Afrika, fara fahakeliny, indray mandeha. Ny bahaisma dia hita indrindra ao Kenia, ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, ao Afrika Atsimo ary ao Zambia.

Finoana bahay isam-paritra[hanova | hanova ny fango]

Ao Afrika Afovoany[hanova | hanova ny fango]

Amin' izao fotoana izao dia misy 40 000 ny mpanaraka ny fivavahana bahay any Kamerona. Any Tsady dia misy mpikambana 96 800 tamin' ny taona 2005. Tamin' io taona io ihany dia tombanana ho 252 000 teo ho eo izany tao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô ary ho 2 500 tao Ginea Ekoatôrialy.

Aty Afrika Atsinanana[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 2005 dia tombanana ho 6 800 eo ho eo ny Bahay ao Borondy, 27 000 eo ho eo tao Etiôpia, 429 000 eo ho eo tao Kenia, 17 900 eo ho eo teto Madagasikara, 15 000 tao Roanda, 163 800 eo ho eo tao Tanzania. Ny isan' ny Bahay ao Oganda dia eo amin' ny 19 000 ka hatramin' ny 105 000.

Ao Afrika Avaratra[hanova | hanova ny fango]

Tombanana ho 3 300-3 800 ny isan' ny Bahay tamin' ny 2005 sy 2010 tany Aljeria. Vao haingana kokoa dia 2 000 na 7 000 teo ho eo tao Ejipta. 30 000 tamin' ny taona 2010 tao Marôka, ka ny bahaisma no fivavahana fahatelo lehibe indrindra ao. Misy Bahay miisa 1 000 mahery ny any Tonizia.

Ao Afrika faritra Atsimo[hanova | hanova ny fango]

Tombanana ho 1 800 ny Bahay tamin' ny 2005 tao Angôla, 16 000 eo ho eo tao Bôtsoana. Teo anelanelan' ny taona 2000 sy 2003 dia tombanana ho 15 000 ka hatramin' ny 24 500 ny Bahay tao Malaoy. Tombanana ho 2 500 mahery ny Bahay tamin' ny taona 2005 tao Môzambika. Misy 250 000 eo ho eo ny Bahay ao Afrika Atsimo amin' izao fotoana izao ary 162 443 mahery tao Zambia. Tombanana ho 20 000 ny Bahay ao Zimbaboe tamin' ny taona 1985.

Ao Afrika Andrefana[hanova | hanova ny fango]

Efa ho 9 500 ny Bahay tao Liberià tamin' ny taona 2006. Tamin' ny taona 2005 dia 5 600 eo ho eo ny Bahay tao Nizera. 1 000 izany tao Nizerià tamin' ny taona 2001. Tamin' ny taona 2005 dia niisa ho 22 000 ny Bahay tao Senegaly.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]