Shoghi Effendi Rabbānī

Avy amin'i Wikipedia
I Shoghí Effendí Rabbání.

I Shoghi Effendi Rabbānī (1897-1957) no nandimby an' i ʿAbd-al-Bahāʾ tamin' ny fitarihana ny fikambanana bahay. Nateraky ny vavimatoan' i ʿAbd-al-Bahāʾ izy ary nomena ny anaram-boninahtra hoe Walīy-i amr Allāh ("Mpiambina ny raharahan' Andriamanitra). Nobeazina tany Oxford izy ka afaka nandika amin' ny teny anglisy ny asasoratra manan-danja indrindra ao amin' ny finoana bahay sady nampivoatra ny Lamim-pandraharahana bahay.

Noho ny fanetsehany sy ny fitarihany nampian' ireo mpianatra sangany mitondra ny anarana hoe "Tanan' ny Raharahan' Andriamanitra", dia nanomboka ny "Kroazady folo taona" (ǧihād) tamin' ny taona 1953 ka tsy nifarana raha tsy tamin' ny taona 1963. Izany "Kroazady" izany dia nahatonga ny finoana bahay niely amin' ny firenena manerana an' izao tontolo izao. Teo anelanelan' ny fanendrena azy tamin' ny taona 1921 sy ny nahafatesany tamin' ny taona 1957 dia 100 000 tonga 400 000 any ho any ny isan' ny mpino bahay, ary ny firenena nisy azy ireo dia 35 tonga 250 any ho any. Nahatsangana Antenimieram-pirenena ara-panahy enina vaovao izy, izay nanovona ireo efa nisy tao Iràna sy tao Etazonia.

Taorian' ny nahafatesany tampoka tamin' ny 4 Novambra 1957, tao anaty toe-javatra tsy nahafahana nanendry ny ho mpandimby azy, dia fitarihana iombonana nahitana olona sivy voafidy tamin' ireo "Tanan' ny Raharaha" no nandray an-tanana ny fitondrana ny fikambanana mandra-pahatongan'ny taona 1963 nifidiana ny Tranon' ny FahamaIinana ho an' Izao Tontolo Izao izay tsy inona fa Filankevitra faratampon' ny fikambanana natao hisahana ny fitantanan-draharaha fa tsy natao ho mpitondra fivavahana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]