Aller au contenu

Ôrga

Avy amin'i Wikipedia
Ôrga

Ny ôrga dia zavamaneno mandeha amin' ny rivotra izay miavaka noho izy mamoaka feo amin' ny alalan' ny fantsom-peo (sahala amin' ny sodina) tsofin' ny fitaovana mpitsoka rivotra, ny fantsona tsirairay dia mamoaka feo amin' ny haavo sy loko tsy manam-paharoa. Ampanenoina amin' ny fampiasana andalan-kitendry (na klavie) iray na maromaro ny ôrga, izay matetika ahitana andalan-kitendrin-tongotra koa.

Fantsom-peon' ôrga

Nt fantsom-peo ao amin' ny ôrga dia matetika vita amin' ny metaly (tsaman' ny firapotsy sy firamainty no matetika indrindra, fa misy koa ny fanitso sy ny varahina) na amin' ny hazo (ôaka, hazokesika), fa indraindray koa dia vita amin' ny akora hafa (fitaratra, volotsangana, taratasy matevina, plastika, bakoly). Satria ny fantsom-peo tsirairay dia mamoaka haavom-peo tokana, ny fantsona rehetra dia voatsinjara anaty vondrona antsoina hoe andiam-pantsona, ka ny andiana tsirairay dia manana loko sy hamafy iraisana. Ny ankamaroan' ny ôrga dia misy andiam-pantsona izay samy manana ny hahavony sy ny lokony ary ny hamafiny izay azon' ny mpitendry ampiasaina mitokana na miaraka, amin' ny alalan' ny fampiasana bokotra fibaikoana.

Fantsona mana-molotra

Misy karazany roa lehibe ny fantson' ôrga raha ny fomba fahazoana feo no heverina. Ny voalohany dia ny fantsona mana-molotra (tsy misy zavatra mipararetra afa-tsy ny rivotra mandalo ao aminy, sahala amin' ny vavan' ny kiririoka na ny an' ny sodina). Ireto fatsona ireto dia mamoaka ny karazam-peo atao hoe "Sodina" (satria maneno toy ny sodina), "Diapazôna" (feo mampiavaka ny ôrga manokana, tsy maka tahaka feon-javamaneno hafa), "Lokanga" (satria maka tahaka ny feon' ny lokanga na ny an' ny andian-dokanga).

Ny fantsona manan-dela, mamoaka ny karazam-peo atao hoe "Vox humana"

Ny faharoa dia ny fantsona manan-delany, izay misy lela metaly (tsy maintsy varahimavo) mipararetra toy ny an' ny angorodao na harmônia na sy zavamaneno maro hafa. Ireto hantsona ireto dia mamoaka karazam-peo nomena ny anarana hoe "Trompetra", "Klarinety", "Feon' Olombelona" ("Vox humana"), sns satria manalaiky ny feon' ireo zavamaneno ireo. Manana andalan-kitendry iray na maromaro ho an' ny tanana (andalan-kitendrin-tanana) sy kitendry ho an' ny tongotra (andalan-kitendrin-tongotra) ny ôrga; mibaiko vodrom-bokotra fibaikoana manokana ny andalan-kitendry tsirairay. Mipetraka eo amin' ny tavan' ny ôrga ny andalan-kitendrin-tanana sy ny andalan-kitendrin-tongotra ary ny bokotra fibaikoana.

Mitazona feo maharitra mandritra ny fotoana anindriana kitendry ny ôrga noho ny famatsiana rivotra tsy tapaka ao aminy, ka tsy toy ny pianô sy ny zavamaneno sasany izay manatsahatra avy hatrany ny feo aorian' ny fanidriana ny kitendry. Mety tsy manana afa-tsy fantsom-peo roa ambin' ny folo na efatra amby roapolo ary laharan-kitendrin-tanana iray ny ôrga farany kely; fa ny ôrga lehibe indrindra dia mety manana fantsona maherin' ny 33 000 sy laharan-kitendrin-tanana hatramin' ny fito.

Tavan' ôrga ahitana andalan-kitendrin-tanana fito sy andalan-kitendrin-tongotra iray

Apetraka any amin' ny trano fiangonana, sinagôga, trano fampisehoana, sekoly ary any amin' ny tranon' olon-tsotra ny ôrga. Ampiasaina amin' ny fampisehoana mozika klasika, mozika masina, mozika tsy ara-pivavahana ary mozikam-bahoaka ity karazan-javamaneno ity. Tany am-piandohan' ny taonjato faha-20 dia nisy ôrga napetraka sy notendrena ao amin' ny trano fijerena fampisehoana mandritra ny fandefasana sarimihetsika tamin' ny vanim-potoana tsy mbola nampisy feo ny sarimihetsika.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]