Aller au contenu

Klarinety

Avy amin'i Wikipedia
Klarinety

Ny klarinety dia zavamaneno tsofina, miavaka noho ny fisian' ny lelany tokana sy ny vatany saika miendrika varingarina. I Johann Christoph Denner (1655-1707) no namorona ity zavamaneno ity tany Nuremberg tamin' ny taona 1690 tany ho any. Ny klarinety sôpranô (amin' ny B♭) no môdely fantatra indrindra. Io vatany miendrika varingarina io no mampiavaka azy amin' ny zavamaneno tsofina hafa izay samy manana vatana miendrika ampahan-kitsoloha toy ny hôboà sy ny saksôfônina.

Amin' ny zavamaneno tsofina rehetra ao amin' ny fianakaviany dia ny klarinety no manana fivelaram-peo lehibe indrindra satria mahatratra ôktava telo miampy fahenina kely, izany hoe maripeo 45. Ankoatra ny zavamaneno velezina dia ny klarinety no zavamaneno manana fianakaviana lehibe indrindra.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]