Kitsoloha

Avy amin'i Wikipedia
Kitsoloha

Ny kitsoloha dia endrika ara-jeômetria telo refy manana velarana mitongilana avy amin' ny fototra fisaka (matetika faribolana na kapila, nefa tsy voatery) mankany amin' ny teboka iray antsoina hoe tendro.

Ny kitsoloha dia foronin' ny andiana kantsana na andiana antsasaka hitsy na andiana tsipika mampifandray teboka iray, ny tendrony, amin' ny teboka rehetra ap amin' ny fototra izay ao anaty lemaka tsy miaty ny tendrony.

Arakaraka ny mpanoratra, ny fototra dia mety ho faribolana na endrika hafa. Raha toa ka tafiditra ao anatin' ny fototra ireo teboka voahidy, dia vainga ilay kitsoloha; raha tsy izany dia zavatra roa refy anaty habaka telo refy ilay kitsoloha. Ny tezan' ny kitsoloha dia tsipika mahitsy (raha misy) mandalo amin' ny tendrony, izay mampisy fifanandrifiana faribolana ao amin' ny fototra (sy ny kitsoloha manontolo).

Kitsoloha mahitsy sy kitsoloha mihilana
Piramida: kitsoloha manam-pototra maro lafy

Amin' ny fampiasana mahazatra ny jeômetria fototra dia kitsoloha mahitsy no heverina, izany hoe zavatra manam-pototra faribolana sy teza mamorona zoro mahitsy (90°) amin' ny lemaky ny fototra. Amin' ny ankapobeny anefa, ny fototra dia mety ho iray amin' ny endrika samihafa (tsy voatery ho faribolana). Mifanohitra amin' ny kitsoloha mahitsy ny kitsoloha mihilana, izay manana teza mandalo eo afovoan' ny fototra nefa tsy manome zoro mahitsy.

Ny kitsoloha manana fototra marolafy dia antsoina hoe piramida.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]