Aller au contenu

Saksôfônina

Avy amin'i Wikipedia
Saksôfônina

Ny saksôfônina dia zavamaneno tsofina tokan-dela, misy vatana miendrika ampahan-kitsoloha. Toa izay hita ao amin' ny zavamaneno tokan-dela rehetra dia mivoaka ny feo rehefa mihovitrovitra ny lelany eo am-bavan' ilay zavamaneno. Amin' ny ankapobeny dia vita amin' ny varahimavo ny saksôfônina, na dia misy aza ny sasany vita amin' ny varahina, volafotsy, plastika, na nopetahana volamena. Misy amin' ny habe isan-karazany ny saksôfônina.

Ovaovaina amin' ny alalan' ny fanokafana sy fanampenana ny lavaka eo amin' ny vatan' ilay zavamaneno - izay manova ny tena halavan' ny fantsona - ny haavom-peo. Hidian' ny lafika hoditra mipetaka amin' ny kitendry ampiasain' ny mpitsoka ireo lavaka .

Ilay mpamorona zavamaneno belza Adolphe Sax no namorona ny saksôfônina tany am-piandohan' ny taompolo 1840. Namorona vondrona roa misy zavamaneno fito avy i Sax - ny vondrona iray misy zavamaneno ao amin' ny C na (Do) sy F (na Fa), ary ny vondrona iray kosa misy zavamaneno amin' ny B♭ (na Si♭ ) ary E♭ (na Mi♭). Tsy ela dia nanjary nanjaka ny zavamaneno B♭ sy E♭, ary ny ankamaroan' ny saksôfônina hita ankehitriny dia avy amin' ity andiany ity. Tsy nahazo toerana ny zavamaneno avy ao amin' ny andiany amin' ny C (na Do) sy F (na Fa), ary tsy nahitana afa-tsy ampahany kely tamin' ny zavamaneno nataon' i Sax.

Nomena feo ambony kokoa noho ny fenitra A na La = 440 Hz (ao amin' ny kônseritra) ny saksôfônina avo feo (nasiana marika H na HP, fanafohezana ny hoe "High-pitch") izay novokarina tany am-piandohan' ny taonjato faha-20 ho an' ny karazam-peo mifanaraka amin' ny filalaovana ivelan' ny trano, saingy tsy azo lalaovina amin' ny fampiadiam-peo môderina izy io sady heverina ho lany andro. Mitovy amin' ny fampitoviam-peo amin' ny zavamaneno môderina ny saksôfônina ambany feo (nasiana marika L na LP, anafohezna ny hoe "Low-pitch").

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]