Aller au contenu

Trompetra

Avy amin'i Wikipedia
Trompetra

Ny trompetra dia zavamaneno tsofina, vita amin' ny fantsona manana halava mirefy 1,50 m, fampiasa matetika amin' ny vondron-javamaneno klasika sy jazz. Ny varahimavo indrindra no metaly ampiasaina amin' ny fanamboarana trompetra (70 %). Amin' ny filalaovana azy dia matetika mampiasa pistô telo (indraindray efatra ny ao amin' ny trompetra pikôlô, izay avo feo indrindra).

Nampiasaina ho fitaovana fiantsoana amin' ny ady na amin' ny fihazana ny zavamaneno mitovitovy amin' ny trompetra, misy ohatra efa hatramin' ny 2000 tal JK fara fahakeliny. Nanomboka nampiasaina ho zavamaneno amin' ny mozika izy ireo tamin' ny faramparan’ ny taonjato faha-14 na tany am-piandohan' ny taonjato faha-15. Ampiasaina amin' ny karazana mozika maro ny trompetra, ohatra amin' ny ôrkesitra, amin' ny vondrona jazz, ary koa amin' ny mozikam-bahoaka.

Mivoaka amin' ny alalan' ny fipararetran' ny molotry ny mpitsoka - izay miteraka onja ao amin' ny tsanganan-drivotra ao anatin' ilay zavamaneno - ny feon' ny trompetra. Nanomboka tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-15 dia vita amin' ny fantsona varahimavo, matetika miforitra indroa tahaka ny mahitsizoro novonoin-joro, ny trompetra.

Misy karazany maro ny trompetra, ary ny ankamaroany dia ao amin' ny haavom-peo B♭ (zavamaneno mpamindra haavom-peo), ka ny halavan' ny fantsona nanamboarana azy dia mirefy 1,48 m eo ho eo. Tsy azo novana ny halavan' ny fantson' ny trompetra tany am-boalohany, fa ny zavamaneno môderina amin' ny ankapobeny dia manana valva telo (na efatra indraindray) mba hanovana ny haavom-peony. Manana valva misy fitavoka (na pistô) ny ankamaroan' ny trompetra, fa manana karazana valva afaka mihodinkodina kosa ny sasany (indrindra amin' ny ôrkestra alemàna sy amin' ny ôrkestra manaraka fomba alemàna). Fampiasa matetika kokoa ao amin' ny ôrkestra ny trompetra manana valva mihodinkodina, na dia miovaova arakaraka ny firenena aza izany fanao izany.

Manomboka amin' ny trompetra pikôlô - manana rejisitra ambony indrindra ao amin' ny fianakaviana "varahina" - ka hatrany amin' ny trompetra beso, naneno ôktava iray ambanin' ny trompetra B♭ (Si♭) na C (Do) mahazatra ny karazana trompetra, arakaraka ny haavon' ny feony.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]