Zavamaneno tsofina

Ny zavamaneno tsofina dia zavamaneno mamoaka feo noho ny fihovitrovitry ny rivotra ao anatiny vokatry ny fitsofana azy na ny fandalovan' ny rivotra ao aminy. Anisan' ity sokajin-javamaneno ity ny feon' olombelona. Mitsinjara ho fianakaviana roa lehibe, ankoatry ny hafa, ny zavamaneno tsofina, dia ny "zavamaneno hazo" sy ny "zavamaneno varahina".
Fanasokajiana
[hanova | hanova ny fango]Zavamaneno hazo
[hanova | hanova ny fango]

Ny zavamano tsofina izay mamoaka feo vokatry ny fihovitrovitry ny lelan-javamaneno na vokatry ny fihovitrovitry ny rivotra miditra eo am-bavan' ilay zavamaneno, ireo no atao hoe "zavamaneno hazo" (frantsay: bois; anglisy: woods), izay ahitana ny sodina isan-karazany sns (tsy misy lelany), ny angorodao, ny angorodaovava sns (misy lelany tsy misy manohana), ny klarinety sy ny saksôfônina sns (tokan-dela), ny basôna sy ny hôboà sns (roa lela).
Zavamaneno varahina
[hanova | hanova ny fango]
Ny zavamano tsofina izay mamoaka feo vokatry ny fihovitrovitry ny molotry ny mpitsoka azy; ireo no atao hoe "zavamaneno varahina", izay ahitana ny trompetra, ny trômbônina, ny bingona, ny sakshôrna, ny tiobà, ny anjombona, antsiva, sns.
Fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]Ireo sokajin-javamaneno ireo dia nofaritana araka ny fomba famoahan' ny zavamaneno feo fa tsy amin' ny akora ampiasaina amin' ny fanamboarana azy. Noho izany dia azo amboarina amin' ny karazana akora rehetra (hazo, metaly, plastika, pleksiglasy, kristaly, ivoara na taolana) ny zavamaneno, ary ny sasany dia mampiasa teknôlôjia mekanika, elektrônika na solosaina.
Voafaritry ny halavan' ny fantsona sy ny fanovan' ny tanana ny halavan' ny lalana misy ilay rivotra mihovitrovitra ny haavon' ny feon' ireo zavamaneno ireo.