Angorodao

Ny angorodao na gorodo dia zavamaneno mamoaka feo amin' ny rivotra, maro feo, misy andalan-kitendry na vondrom-bokotra, ahitana lela metaly manify maro ao anatiny izay mipararetra rehefa tsofin' ny rivotra avy amin' ny tafoforana hetsehin' ny mpitendry azy.
Mampiavaka ny angorodao ny fananany vondron-kitendry na vondrom-bokotra ankavia sy ankavanana: ny iray ahafahana mitendry andalam-peo amin' ny tanana havanana, fa ny faharoa ahitana vondrom-bokotra ho an' ny ridram-peo, efa voarafitra rahateo ao anatiny, sy beso mpanaraka, izay tendren' ny tanana havia.
Misy karazany roa ny angorodao araka ny endriky ny ampahany ahafahana mitendry andalam-peo, dia ny angorodao diatônika, izay ahitana andalan-kitedry (toy ny an' ny pianô), sy ny angorodao krômatika, izay tsy ahitana afa-tsy vondrom-bokotra.
Ampanenoina amin' ny alalan' ny fanosehana sy fisintonana ny tafoforana amin' ny fotoana anindriana ny bokotra na ny kitendry eny aminy ny angorodao, ka mahatonga ny rivotra handalo eo amin' ny lela manify vita amin' ny varahimavo na tsỳ ao anatiny.
Miely manerana izao tontolo izao ny fampiasana ny angorodao noho ny fifindrà-monina avy any Eorôpa ho any Amerika sy any amin' ny faritra hafa. Any amin' ny firenena sasany (ohatra: Arzantina, Brezila, Kôlômbia, Repoblika Dôminikana, Meksika, ary Panamà) dia ampiasaina amin' ny mozikam-bahoaka ny angorodao, fa any amin' ny faritra hafa (toa an' i Eorôpa, Amerika Avaratra, ary firenena hafa any Amerika Atsimo) dia matetika ampiasaina amin' ny mozika dance-pop sy amin' ny mozika folk izy. Any Eorôpa sy Amerika Avaratra dia ampiasana amin' ny mozikam-bahoaka sasany ity zavamaneno ity.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Mozika
- Zavamaneno
- Zavamaneno misy kitendry: pianô - ôrga - harmônia
- Zavamaneno tsofina
- Angorodaovava (na harônika)