Aller au contenu

Angorodaovava

Avy amin'i Wikipedia
Harmônikà krômatika misy lavaka 16, sy harmônikà diatônika Dô misy lavaka 10.

Ny angorodaovava na harmônikà dia zavamaneno mandeha amin' ny rivotra, maro feo, sahala amin' ny angorodao: misy lela metaly manify maromaro tsy mitovy halava izay mipararetra sy mamoaka feo rehefa andalovan' ny rivotra tsofin' ny vava na fohiny.

Maro karazana ny harmônikà ka ao ny harmônikà diatônika (tsotra), ny harmônikà krômatika, ny harmônikà tremôlô (harmônikà diatônika soson-dela), ny harmônikà ôktava, ny harmônikàn' ôrkestra ary ny harmônikà beso.

Ny angorodaovava dia ampanenoina amin' ny fampiasana ny vavan' ny mpitsoka azy (molotra sy lela) mba hisintomana ny rivotra hiditra na hanosehana izany hivoaka amin' ny lavaka iray (na mihoatra). Ao ambadiky ny lavaka tsirairay dia ahitana efitra misy lela metaly manify iray farafahakeliny. Ny lela metaly tsirairay ao amin' ny harmônikà dia mazàna vita amin' ny varahimavo, amin' ny tsỳ tsy mety harafesina, na amin' ny alimo, izay araikitra amin' ny tendrony iray eo ambonin' ny lavaka iray izay lalana omban' ny rivotra.

Amboarina hanana ny haavom-peo voafaritra manokana ny lela metaly tsirairay. Ny lelany lava sy mavesatra ary malefaka kokoa dia mamoaka feo be sy ambany kokoa; ny fohy sy maivana ary henjana kokoa dia mamoaka feo avo kokoa.

Ampiasaina eran-tany amin' ny karazana mozika maro, indrindra amin' ny blues, mozika folk amerikana, ny mozika klasika, ny jazz, ny country ary ny rock.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]