Wikipedia:Takelaka/12 2023

Avy amin'i Wikipedia
Sarin-tanin' i Maly

I Malỳ na ny Repoblikan' i Malỳ dia firenena ao Afrika Andrefana, tsy manana morontsiraka, izay manana velarana mirefy 1 241 238 km² sy mponina miisa 21 473 764 tamin' ny taona 2022. Atao hoe Maliana ny vahoakan' io firenena io. Ny ampahany be amin’ ny tanin’ i Malỳ dia ao amin’ ny lohasahan’ ny ony Niger. I Bamako no renivohiny. Mamaritra azy avy ao avaratra-andrefana i Maoritania, ao andrefana i Senegaly, ao atsimo andrefana i Ginea, ao atsimo i Kôtidivoara, ao avaratra-atsinanana i Aljeria, ary ao atsimo-atsinanana i Borkina Fasô.

Mizara  telo ny vohon’ ny tany ao Malỳ: ny faritra sahariana karankaina izay tsy dia ahitana zavamaniry firy; ny faritra saheliana somary maina izay ahitana hivoka anirian-kazo madinika; ary faritra anjakan’ ny hivoka anirian-kazo lehibe. Firenena manana toetany mafana sy maina i Malỳ ka matetika ianjadian’ ny haintany.

I Maly, eo anivon' izao tontolo izao

Foko maro no mandrafitra ny vahoaka maliana, ka ny Mandinga no maro anisa indrindra (40 %). Ny finoana silamo no be mpanaraka indrindra (90 %n’ ny mponina). Ny tapany atsimon’ i Malỳ no onenan’ ny ankamaroan’ ny mponina.

Ny ankamaroan’ ny mponina dia mpamboly, nefa ny habetsahan’ ny vokatra (katsaka, vary, ampembambazaha, voanjo, fary, landihazo, sns) dia miankina amin’ ny fitarihan-drano sy ny fiakaran’ ny ony Niger sy ny renirano misakelika aminy. Ny landihazo no iankinan’ ny taozava-baventy izay manondrana ny vokatra avy amin’ izany. Manana harena an-kibon’ ny tany i Malỳ, ka anisan’ ireo firenena voalohany mpitrandraka volamena aty Afrika. Ny fiteny frantsay no fiteny ôfisialin’ i Malỳ. Tamin' ny taona 1960 no nahazoany ny fahaleovan-tenany ary mankalaza izany isaky ny 22 Septambra ny vahoaka ao aminy. (tohiny...)