Tamba-nosin' i Kômôro
Ny Tamba-nosy Kômôro dia nosy maromaro mifanakaiky ao amin' ny Lakandrano Môzambika, eo anelanelan' ny tendro avaratr' i Madagasikara sy ny morontsiraka avaratr' i Môzambika. Efatra ny nosy lehibebe mamorona an' ilay tamba-nosy, dia i Ngazija (na Kômôro Lehibe), i Njoany (na Anjoany), i Moaly (na Môhely) ary i Maôry (na Mayotte). Ny nosy telo voalohany dia mikambana ara-pôlitika ao amin' ny Firaisan' i Kômôro izay mitambatra ho firenena mahaleo tena, fa i Mayotte kosa (izay ahitana ny nosy Grande-Terre sy Petite-Terre), sy ny nosy madinika manodidina azy, dia departemanta frantsay.
Ireo nosy efatra lehibe indrindra
[hanova | hanova ny fango]Ngazija
[hanova | hanova ny fango]I Ngazija na Kômôro Lehibe dia nosy sady fanjakana mizaka tena isan' ny Firaisan' i Kômôro, Izy no nosy lehibe indrindra sy be mponina indrindra (410 736 tamin' ny taona 2016) ao amin' ny tamba-nosin' i Kômôro. I Moroni no renivohiny, izay renivohitr' ilay firaisam-panjakana mizaka tena. Manana velarana 1 148 km2 izy.
Njoany
[hanova | hanova ny fango]I Njoany na Anjoany dia nosy sy fanjakana mizaka tena mitambatra amin' ny Firaisan' i Kômôro. I Mutsamudu no renivohiny ary misy mponina miisa 327 382 izy tamin' ny taona 2017. Mirefy 424 km2 ny velerany.
Moaly
[hanova | hanova ny fango]I Moaly na Môhely dia nosy sy fanjakana mizaka tena mitambatra ao amin' ny Firaisan' i Kômôro. I Fomboni no renivohiny. Misy mponina 52 360 izy tamin' ny taona 2015. Manana velarana 290 km2 izy.
Maiôty
[hanova | hanova ny fango]I Maiôty na Maôry dia tamba-nosy departemanta frantsay. Tsy anisan' ny Firaisan' i Kômôro. izy. Ny renivohiny dia Mamoudzou, tanàna lehibe indrindra. Ilay faritra dia manana nosy kely maromaro: i Mtsamboro, i Mbouzi ary i Bandrélé. Manana velarana 376 km² izy ary misy mponina miisa 256 518 tamin' ny taona 2017.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Jeôgrafian' i Kômôro
- Toekaren' i Kômôro
- Mponina ao Kômôro
- Fiteny ao Kômôro
- Fivavahana ao Kômôro
- Kolontsaina ao Kômôro
- Tantaran' i Kômôro
I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Comoros |