Hankany amin'ny vontoatiny

Tantely (bibikely)

Avy amin'i Wikipedia
Tantely fiompy (Apis mellifera)

Ny tantely dia bibikely manana elatra toy ny elabakaka ao amin' ny renifianakaviana Apoidea, ao amin' ny filaharana Hymenoptera. Atao hoe Anthophila ny klady amondronana azy ireo izay ahitana fianakaviana fito: Andrenidae, Apidae, Colletidae, Halictidae, Megachilidae, Melittidae, Stenotritidae. Farafahakeliny dia karazana tantely 20 000 no fantara eto an-tany. Ny tantely fiompy Apis mellifera angamba no karazana fantatra indrindra, izay ompiana anaty toho-tantely mba ho mpamindra vovobony ho an' ny voly sy mba hamokarana mamin-tantely. Na izany aza, dia mihinana mamimbony nefa tsy mamokatra mamin-tantely ny ankamaroan' ny karazana tantely.

Azo sokajiana araka ny fomba fiainany ny tantely: tantely fiompy na renitantelidia, minina irery na miara-miaina, sns. Tsy mitovy amin' ny fanenitra izy ireo amin' ny endriny sy ny fihetsiny, indrindra ny sakafony. Ny amboalambontantely na fandramalahy kosa dia karazana tantely hafa.

Na dia heverin' ny maro ho bibikely miara-monina aza ny tantely rehetra dia tombanana fa ny 90 % amin' ny karazana tantely dia monina irery. Ireo karazana ireo ihany koa no atahorana kokoa ho lany tamingana raha mitaha amin' ny tentely miara-miaina. Olana lehibe momba ireo bibikely ireo ny tsy fahafantaran' ny besinimaro an' io fisian-karazana atahorana ho lany tamingana io.

Atahorana mafy ho lany tamingana amin' izao fotoana izao ny tantely sy ny karazam-bibikely hafa mpamindra vovobony, izay 100 ka hatramin' ny 1 000 heny noho ny mahazatra, araka ny filazan' ny Firenena Mikambana, ny taham-paharipahany.

Tamin' ny Andro maneran-Tany ho an' ny Tantely tamin' ny 20 May 2019 dia nanazava ny antony lehibe indrindra mahatonga ny fihenan' ny isan' ny bibikely mpamindra vovo-bony ny Firenena Mikambana: ny fampiasana fanafody famonoana bibikely, ny voly tokan-karazana, ny fiovan' ny toetany, ny fiovan' ny fampiasana ny tany ary ny fanimbana ny tontolo misy ny toeram-ponenany.

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]

Fianakavian-tantely araka ny fanasokajiana ankehitriny

[hanova | hanova ny fango]

Inty ny lisitry ny fianakavian-tantely ankehitriny araka ny Debevic et al. 2012 sy Hedtke et al. 2013, mifanaraka amin' ny ITIS:

  • Apidae Latreille, 1802 - tantely miara-monina, lava lela
  • Andrenidae Latreille, 1802 - tantely miaina irery, fohy lela
  • Colletidae Lepeletier, 1841 - tantely miaina irery, izay mangady ny akaniny amin' ny tany, fohy lela
  • Halictidae Thomson, 1869 - tantely madinika miaina irery, fohy lela
  • Megachilidae Latreille, 1802 - tantely manatody ao anatin' ny akanim-biby hafa, lava lela
  • Melittidae Michener, 2000 - tantely miaina irery
  • Stenotritidae Michener, 2000 - tantely lehibe, fohy lela, be volovolo

Fanamarihana: Ny Apidae sy Megachilidae dia heverina ho tantely lava lela, ny fianakaviana hafa ankoatra ny Melittidae dia heverina ho tantely fohy lela.

Ao amin' ny kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Ny ohabolana momba ilay bibikely no omena eto fa tsy momba ilay zavatra mamy azo atao sakafo/

  • Aza manao fatin-dalitra, ka maty mitety ny ratsy; fa manaova fatin-tantely, ka maty mamela mamy.
  • Maty mamela mamy toy ny renitantely.
  • Natsangako kiady, nazerany; nalahatro vato, nakorontany; veloma, ry tantely lava; masina, ry tantely fohy, fa lany haika aho.
  • Tantely merika andro: ny ao an-trano ihany no hanina.
  • Tantely manatody amim-pary: tafahaona samy mamy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]