Kalalao

Ny kalalao na kadradraka bibikely somary menamena fisapisaka matetika misy elatra, mamorona zana-daharana Blattaria ao amin' ny laharana Blattodea, izay mahafaka koa ny vitsikazo na aboaly.

Mbola iharan' ny vinavina samihafa ny fanasokajiana ireo vondrona ireo. Mampiditra azy ireo miaraka amin' ny famakiloha sy ny mitovitovy aminy ao amin' ny filaharana Dictyoptera ny iray amin' izany. Ny hafa kosa te hanasaraka azy tanteraka, ka mametraka ny kalalao ao amin' ny filaharana Blattodea fa ny vitsikazo na aboaly ao amin' ny filaharana Isoptera. Na izany aza dia manondro ny fikarohana farany momba ny fototarazon' ireo vondrona ireo fa avy amin' ny razambe iray izy ireo sady mifandray akaiky dia akaiky.
Heverina ho mpanimba ireo bibikely ireo noho ny fahazaran' ny karazana sasany. Amin' ny fitambarany dia latsaky ny 1 % amin' ny karazana kalalao fantatra no mifandray amin' ny olombelona ary azo heverina ho bibikely tsy tiana tokoa. Karazana 25 ka hatramin' ny 30 eo ho eo no mety ho olana ary ny antsasany dia miteraka olana indraindray. Mifandray sy zatra ny olombelona ny karazana lazaina fa mpanimba ary hita indrindra any an-dakozia, ka ao izy no mihinana ny fakon' ny olombelona.

Samy hafa amin' ny endriny sy ny lokony ary ny habeny ny karazana miisa 6 000 eo ho eo miparitaka manerana izao tontolo izao. Efa ho 355 tapitrisa taona lasa izay no nisehoany teto an-tany.
Ao amin' ny kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Ohabolana malagasy
[hanova | hanova ny fango]- Kalalao matin-dronono ka matin-draha tiana.