Hankany amin'ny vontoatiny

Lalitra

Avy amin'i Wikipedia
Sarcophaga carnaria

Ny lalitra dia bibikely madinika isan-karazany, ao amin' ny filaharana Diptera ary indrindraindrindra ny zana-pilaharana Brachycera. Anisany ny lalitra an-trano (Musca domestica). Amin' ny fiteny mahazatra kokoa dia manondro bibikely manidina samihafa ny teny hoe "lalitra". Tsy misy tongotra ny olitry ny lalitra. Miankina amin' ny karazana misy azy ny halavan' ny androm-piainan' ny lalitra. Ny lalitra an-trano, ohatra, dia 17 andro eo ho eo ny androm-piainan' ny lahy ary 21 andro ny vavy.

Ao amin' ny kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana malagasy

[hanova | hanova ny fango]
  • Aza manao fatin-dalitra, ka maty mitety ny ratsy; fa manaova fatin-tantely, ka maty mamela mamy ho an' ny fokonolona.
  • Aza manao fon' ny mpanefy: mikapo-dalitra ambony lovia ka mamoy sasanangy tsy satry[1].
  • Aza manao toy ny lalitra mitsentsitra maso didy, ka hivelona amin' ny ranomason' olona.
  • Didimaso miantsena, ka manome sakafo ny lalitra.
  • Matimatim-pitia toa lalitra ka mitsobaka alohan' ny sotro.
  • Mimonomonona ohatra ny lalitra hianao; miriorio ohatra ny angidina.
  • Omby maty tsy maharo lalitra.
  • Tantely vaky sarona, ka anjakan' ny lalitra.
  • Tsy hita hanaovana, ohatra ny ondrikely sarak' andro: avela an-tanana, ivorian’ ny lalitra; entina an-tsaha, iangonan' ny tsipolitra.
Tachinidae

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Ny sasanangy dia ampahatelon' ny ariary taloha.