Hao
Fiseho

Ny hao dia bibikely tsy manana elatra izay kantsentsitra mitoetra amin' ny faritra maniry volo amin' ny olombelona sy ny biby hafa maro koa, ka raha manaikitra izy dia miteraka hidihidy amin' ny biby kaikeriny. Ny karazana hao rehatra dia mamorona ny filaharana Phthiraptera.
Misy karazany roa ny hao mitsentsitra ny olombelona: ny haon-doha (Pediculus humanus capitis) sy ny haofotsy (Pediculus humanus humanus). Manana ny haony koa ny kisoa, ny soavaly, ny alika ary ny biby fiompy hafa.
Ao amin' ny kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Ohabolana malagasy
[hanova | hanova ny fango]- Antoandro tsy mifoy hao, ka alina vao manao pia-koho.
- Ianao ve no volo ngita fieren' ny hao?
- Lolohavi-manaikitra toa hao.
- Ny hao no azo lazaina ananam-be, fa ny fananana hita ihany.
- Renihao ka ny vavy indray no malaza.
- Tondro tokana tsy mahazo hao.