Aller au contenu

Lolo (bibikely)

Avy amin'i Wikipedia
Lolo

Ny lolo dia bibikely misy elatra efatra rakotra kirany kely sady manify mifanindry toy ny tafo taila, ary matetika voaravaka loko mamirapiratra. Lepidoptera no anarany siantifika. Iray amin' ny filaharana ao amin' ny bibikely miely patrana indrindra eran-tany izy io, ahitana karazana eo anelanelan' ny 155 100 sy 174 233 voafaritra, mitsinjara amin' ny fianakaviana 136 sy fianakaviambe 43. Ny soritra fôsily tranainy indrindra momba ny lolo dia mampiseho fa ireo bibikely ireo dia efa niaina teto an-tany 201 tapitrisa taona lasa izay, miaraka amin' ny dinôzôra voalohany.

Azo zaraina ho vondrona roa lehibe izy ireo: lolo mivoaka andro sy lolo mivoaka alina, atao hoe samoina. Manana elatra fatra ny lolo ka ny roa ankavia ary ny roa ankavanana. Ny lolo mivoaka andro no miloko kokoa noho ny lolo mivoaka alina (izay matetika miloko volontany na manja). Ny olitry lolo dia antsoina hoe fanday, izay tsy manana elatra na tandroka, mandady ary tsy mitovy zavatra hanina amin' ny lolo efa lehibe, amin' ny ankapobeny. Io no manjary lolo rehefa nandalo fiovana. Ao amin' ny lolo mivoaka alina, ity fiovana ity dia mitranga ao anaty fonony atao hoe mason-dandy.

Ny lolo efa lehibe dia manana tongotra enina (toy ny bibikely rehetra) sy elatra efatra rakotra kirany amin' ny loko isan-karazany, arakaraka ny karazana. Manatody izy ireo izay miteraka fanday. Avy eo dia miova ho samoina (ao anaty ombindandy voatenona mialoha na tsia). Avy amin' izany no ivoahan' ny lolo efa arifomba. Ny tsingerina biôlôjikan' izy ireo dia ahitana dingana efatra miavaka: atody, fanday, samoina (soherina ny an' ny bibin-dandy) ary lolo.

Tahaka ny tantely sy ny ankamaroan' ny bibikely mpamindra vovo-bony, amin' ny faritra midadasika eto amin' izao tontolo izao, ny isan' ny lolo dia mihena be, indrindra noho ny fitomboan' ny fomba fambolena sasany (voly tokana, poizim-bibikely) ary ao koa ny fahafatesana eny amin' ny arabe sy ny hazavana tafahoatra manimba ny tontolo iainany. Ohatra, ny fanavaozana 2016 ny lisitra menan' ny Fikambanana Iraisam-Pirenena ho an' ny Fitahirizana ny Zavaboary (International Union for Conservation of Nature - IUCN) dia mampiseho fa amin' ny karazana lolo 462 any amin' ny faritra mediteraneana dia 19 no atahorana ho lany tamingana (anisan' izany ny 15 tsy fahita firy afa-tsy ao amin' ity faritra ity).

Ao amin' ny kokontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana malagasy

[hanova | hanova ny fango]
  • Androngo milanja lolo: be am-pitondrana fa kely am-pihinanana.
  • Aza manao toy ny lolo amoron-drano: mivelatra, ianao ihany; mikombonkombona, ianao ihany.
  • Lolo an-tanin' andro, ka tsy mahafoy tany hita.
  • Lolofotsy mandoro tena, ka main' ny nahim-pony.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]