Hankany amin'ny vontoatiny

Odonata

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Angidina)
Angidina

Ny Odonata dia filaharana ao amin' ny Insecta (bibikely) manana vatana lava sy elatra efatra manify dia manify mangarahara ary maso lehibe ahafahany mihaza amim-pahombiazana ny rembiny. Biby anaty rano izy ireo raha mbola olitra ary biby an-tanety amin' ny fahalehibeazany. Amin' ny teny malagasy izy ireo dia atao hoe angidina. Biby mpiremby izy ireo, izay mety ho hita tsindraindray amin' ny karazana tontolo voajanahary rehetra, saingy hita matetika eo akaikin' ny faritra misy ranomamy na amin' ny rano somary masira, mihandrona na mandeha, izay ilainy amin' ny fiterahany. Mizara ho zana-pilaharana roa ny Odonata: ny Zygoptera sy ny Anisoptera.

Ondrindrano

Manana monany anaty rano antsoina hoe ondrindrano ny Odonata rehetra, ary izy rehetra, na monany na lehibe, dia mpihinan-kena ary saika mpihinana bibikely, na dia ny ondrindrano aza dia mihinana izay rehetra azony resena, anisan' izany ny trondro kely sy ny tsiboboka.

Fanakilasiana

[hanova | hanova ny fango]

Zana-pilaharana sy fianakaviambe

[hanova | hanova ny fango]

Inty ny lisitry ny araka ny zana-pilaharana sy fianakaviambe araka ny BioLib (13 Novembre 2020):

  • Anisoptera Sélys, 1854
    • Aeshnoidea Rambur, 1842
    • Cordulegastroidea
    • Libelluloidea
  • Anisozygoptera Handlirsch, 1906
    • Epiophlebioidea Tillyard, 1917
  • Archizygoptera †
  • Protanisoptera Carpenter, 1931
  • Protozygoptera †
  • Triadophlebiomorpha Pritykina, 1981
  • Zygoptera Selys, 1834
    • Calopterygoidea Selys, 1850
    • Coenagrionoidea Kirby, 1890
    • Hemiphlebioidea Fraser, 1960
    • Lestoidea Calvert, 1901

Ao amin' ny kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana malagasy

[hanova | hanova ny fango]
  • Lamban' angidina: ka itafiam-belona, tsy mahatafy; ifonosa-maty, tsy mahafono.
  • Mimonomonona hoatry ny lalitra hianao; miriorio hoatry ny angidina.
  • Miriorio foana ny angidina, fa any an-kady ihany no hiafarana.
  • Mivezivezy ohatra ny rano; miriorio ohatra ny angidina.
  • Natao ihany ny mandevina lohan' angidina, fa tsy tonga vakan-karanana.
  • Toy ny angidina: atao mahia, be tratra; atao matavy, kely rambo.
  • Tsy misy malaza ohatra ny angidina, fa raha atono tsy ampy mizara.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]