Hankany amin'ny vontoatiny

Angely

Avy amin'i Wikipedia
Angelivavy an-tsaha (Gryllus campestris)

Ny angely na antsiona dia bibikely manan-tongotra enina ka lehibe sy lava kokoa ny aoriana, tokony 3 sm ny halavan' ny vatany, manana ringotra (tandroka) lava, mikiririoka amin' ny alina. Mamorona ny fianakaviana Gryllidae, mahitsy elatra (Othoptera), ao amin' ny zana-pilaharana Ensifera, izay nihena be tao anatin' ny 100 taona farany izy ireo: vondrona toy ny Phalangopsidae sy ny namany, ny Oecanthinae, ny Trigonidiidae, ary ny Mogoplistidae dia nasandratra ho fianakaviana mahaleo tena. Misy mivelona ao an-tranon' olombelona ny angely izay atao hoe angelinkary, ary misy mivelona eny an-tsaha.

Manana taovam-panatodizana lava (miendrika sabatra) sy manana ringotra lava manify miendrika karavasy ny vavy. Manavaka ny lahy sy ny vavy ny fisian' io fitaovam-panatodizany io, nefa koa manana taova misy feo eo am-pototry ny elatra mafy ny lahy.

Gryllus campestris

Misy karazana angely eo amin' ny 5 000 eo ho eo eran' izao tontolo izao, ary hita ny soritry ny fôsily manaporofo ny fisian' izy ireo nanomboka tamin' ny vanim-potoana Triasika Ambony. Misy mivelona an-tranon' olombelona ny angely (angelinkary na antsionkary) ary misy ny mivelona any an-tsaha.

Angelilahy an-trano (Acheta domesticus)

Miely maneran-tany izy ireo (afa-tsy any Antarktika). Ny lehibe indrindra ao amin' ny fianakaviana dia ilay vondron-karazana atao hoe Brachytrupes, mirefy 5 sm ny lavany, izay mangady lavaka iray metatra na mihoatra honenany (fahita aty Afrika). Ny Oecanthinae dia bibikely fotsy na maitso hatsatra manana elatra anoloana mangarahara, fa ny Gryllinae kosa dia bibikely matanjaka mivolontany na mainty.

Ao amin' ny kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana malagasy

[hanova | hanova ny fango]
  • Angely ka samy maneno eo am-baravarany.
  • Aza manao fikitra mampiady angely
  • Aza manao tahaky ny angely kabatita[1].
  • Mihinjihinjy, ohatra ny adin' angely.
  • Ny harena sahala amin' ny angely ka samy miritika amin' ny ananany.
  • Tain' angely ka samy manilika ny eo am-baravarany.
  • Tokantranon' angely, ka midrikina amin' izay ananana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Ny hoe kabatita na kabanty dia anarana ilazana ny angelivavy.