Hankany amin'ny vontoatiny

Valala

Avy amin'i Wikipedia
Melanoplus femurrubrum: valala aniszn' ny Caelifera

Ny valala dia bibikely isan-karazany miloko maitso na manja, ary misy tongony efatra ka ny roa eo aoriana lava kokoa noho ny eo aloha, izay ahafahany mitsambikina. Ao amin' ny flaharana Orthoptera no misy azy ireo. Ahitana valala ny ao amin' ny zana-pilaharana Caelifera sy Ensifera nefa tsy ny karazana rehetra ao amin' izy ireo dia atao hoe "valala" avokoa amin' ny teny malagasy. Tsy misy famaritana ara-tsiansa ny hoe "valala" fa miankina amin' ny endrika sy ny fihetsik' ilay bibikely.

Ny valala ao amin' ny zana-pilaharana Caelifera

[hanova | hanova ny fango]
Valala (Acanthacris ruficornis)
Bibikely ao amin' ny Caelifera ihany koa nefa tsy valala (Ripipteryx mopana)

Ahitana valala nefa ahitana ihany koa bibikely tsy valala ny zana-pilaharana Caelifera. Ny ankamaroan' ny karazana ao amin' ny zafim-pilaharana Acrididea no matetika antsoina amin' ny anarana malagasy hoe "valala" (fianakaviambe sy fianakaviana Tetrigidae, Acridoidea, Eumastacoidea, Pneumoroidea, Proscopioidea , Pyrgomorphoidea, Tanaoceroidea, Trigonopterygoidea).

Tsy valala kosa ny karazana ao amin' ny zafim-pilaharana Tridactylidea (fianakaviana Cylindrachetidae sy Ripipterygidae ary Tridactylidae).

Ny valala ao amin' ny zana-pilaharana Ensifera

[hanova | hanova ny fango]
Angely (Gryllus campestris): anisan' ny Ensifera nefa tsy valala

Ny ankamaroa' ny bibikely ao amin' ny zana-pilaharana Ensifera dia tsy valala. Misy ihany ireo izay heverina ho valala ao amin' ny fianakaviana Tettigoniidae ao amin' ny zafim-pilaharana Tettigoniidea, ny fianakaviana hafa rehetra (Prophalangopsidae, Rhaphidophoridae, Schizodactylidae, Anostostomatidae, Cooloolidae, Gryllacrididae, Stenopelmatidae) dia tsy valala. Tsy valala ihany koa ny karazana rehetra ao amin' ny zafim-pilaharana Gryllidea fa angely.

Teny malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Anaram-balala

[hanova | hanova ny fango]
Metrioptera roeselii diluta; anisan' ny Ensifera
Paracinema tricolor

Indreto ny lisitry ny anarana hafa iantsoana ny karazam-balala amin' ny teny malagasy:

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]
  • Ataonao ho valala tsy ampoka ny ahitra ve aho, ka hifiaka ny antsoro maina ?
  • Aiza no dia ho anao avokoa ny valala manatody sy fandria-maraina?
  • Amboa maka valala: ny kibo ihany no fenoina.
  • Ao ihany ny takatra nihinana ny valala, ao ihany ny vano nitsaingoka ny sahona.
  • Aza dia miolika loatra ohatry ny tsinain' ondry, fa ataovy tsotra toy ny tsinaim-balala.
  • Aza manao toy ny valala: ny vavy no manaizana, ka ny lahy no tomamotamo.
  • Aza manjenjena toa valala manatody.
  • Aza mifanipaka toy ny valala an-karona.
  • Aza misaosao, fa tango lena no laoka.
  • Boka misambo-balala: mahazo ihany fa potsitra.
  • Efa zatra nahazo, ka rivotra avy avaratra avy no nanjairana sonina hahasiam-balala.
  • Fahafatesam-balala ka mamikitra ahitra irery.
  • Ianareo no natao valala fiandry fasana sy vorompotsy tsy mandao omby.
  • Kibobo mandry amam-balala: tsy manana trano hasiana, fa miheninkenina irery.
  • Lany lena, tahaka ny valalan' ny maro an-trano.
  • Mahita loza Ikalamomba, fa misambo-balala ho an-janak' olona.
  • Maika ho aiza no mitsoka endim-balala na mamolavola sosoa?
  • Misambo-balala maina andro, ka raha tsy azoko anio, azoko ampitso.
  • Manjenjem-poana, toy ny valala manatody.
  • Maro ny valala, fa ny ambolo no tsara soratra.
  • Maty an-dazony, ohatra ny valala nosamborim-boka.
  • Miriorio foana hoatry ny valala hanatody.
  • Misarimorimo ohatra ny valala, nanatody nokotrehin' ny tany, nony foy tsy nanan-dreny harahina.
  • Na ao aza ny ody valala, ny kopakopaka tsy azo avela.
  • Ny valala aza tsy azo raha tsy andriana ilika.
  • Ny valala mameno tanety, ny zavona mameno lohasaha, fa ny mpilaza mahay rahateo.
  • Ny valala tsy indroa mandry am-bavahady.
  • Sambo-balalan-dRaivondeso: mbola eny an-danitra ka siahina, ary tsy mbola azo akory, ka hoe " hasiako sira " .
  • Sompanga momba valala: lehibe ihany fa tsy tompon' ny dia.
  • Tampotampohin' ny manambady Raketaka, ka misambo-balala hariva.
  • Tsy mety raha hanao sokina mahazo valala: raha mahazo dia mivonkina.
  • Tsinaim-balala, ka tsoa-tokana ihany.
  • Tsy valala kely andiany, ka hataho-papango.
  • Valala an-tany mena, na dia tapaka elatra aza, tsy mba lany piaka.
  • Valala ela nanidinana folak' elatra: raha mahafoy ahy mba foiko.
  • Valala manani-jozoro ka manjohy ny efa mahitsy.
  • Valala tongan-drivotra, ka mitety tany tsy fantatra.
  • Valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza.
  • Valala tsy mandady harona.
  • Valala voatango, ka very fanahy mbola velona.
  • Vary amim-balala: tsakoina, madinika; atelina, be faikany.
  • Vitsika nitondra valala: ny kibo hasiana tsy misy, fa ny faha-te hoderaina no be.
  • Vitsika nahazo valala: zakan' ny aina fa tsy omby ny vava.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Bibikely fahita matetika

Anarana amin' ny teny anglisy sy amin' ny teny frantsay