Hankany amin'ny vontoatiny

Trambo

Avy amin'i Wikipedia
Trambo (Chilopoda)

Ny trambo dia bibikely mpiremby, manana tongotra maro dia maro, misy poizina ny kaikitrany, ao amin' ny zana-pisampanana Myriapoda, izay vondrona Arthropoda izay ahitana koa ny sangoridavitra (Diplopoda) sy biby maro tongotra hafa. Ny karazana rehetra ao amin' izy ireo dia mamorona ny kilasy Chilopoda.

Zavaboary manana vatana lava sady manana tongotra mandeha tsiroaroa (iray ankavia, iray ankavanana) isaky ny vanim-batany ny trambo, afa-tsy amin' ny vaniny voalohany izay niova ho farango misy poizina. Tsy manana tongotra miisa 100 katroka ny trambo: misy ny latsaka ary misy ny mihoatra; ny isan' ny tongotra dia isa tsiroaroa tsy ankasa izay manomboka amin' ny 15 tsiroaroa ka hatramin' ny 191 tsiroaroa.

Misy poizina ny trambo rehetra ary mety miteraka mangirifiriana ny kaikitrany, amin' ny alalan' ny rantsam-batany izay tongotra niova endrika sy fiasa fa tsy nifiny. Maharary ny kaikitry ny karazana lehibe ary mety hampidi-doza ho an' ny ankizy indraindray. Bibikely mpiremby tsy mifidy biby hohanina ny trambo amin' ny ankapobeny, mihaza remby isan-karazany izay azony resena, indrindra ny bibikely hafa na ny kankana.

Miaina an-tanety ny karazana trambo rehetra. Mivelona amin' ny faritra ara-jeôgrafia midadasika izy ireo, an-tanety, hatrany amin' ny ala trôpikaly ka hatrany amin' ny tany efitra. Mila tontolo mando anefa izy ireo satria tsy manana ilay sosona savoka (izay ananan' ny bibikely voana (Insecta) sy ny hala (Arachnida) izy ireo) izay tokony ho nahafahany manohitra ny tsy fahampian-drano ny hodiny, ka mahatonga azy ireo ho very rano haingana. Noho izany dia mandositra ny tara-masoandro mivantana izy ireo, ka mijanona ao ambany aloka na tsy tena manao hetsika raha tsy amin' ny alina. Karazam-biby mandositra hazavana izy ireo.

Manana anjara toerana lehibe eo amin' ny fahavokaran' ny tany izy ireo ary indrindra fa amin' ny famokarana roka.

Ao amin' ny kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]
  • Lava hadalana, ohatra ny trambo: tongotra hahelika, ka enti-mandady.
  • Trambo handadina tsy mihetsi-mahery.
  • Trambo hita tsy mba loza

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]