Fikambanana Iraisam-Pirenena ho an' ny Fitahirizana ny Zavaboary

Avy amin'i Wikipedia
Famantarana ny IUCN

Ny Fikambanana Iraisam-Pirenena ho an' ny Fitahirizana ny Zavaboary dia fikambanana iraisan-governelanta natokana ho an' ny fitahirizana sy ny fiarovana ny zavaboary. Atao hoe Union internationale pour la conservation de la nature (UICN) izy amin' ny teny frantsay fa International Union for Conservation of Nature (IUCN) kosa amin' ny teny anglisy.

Ny tanjony dia ny mitaona sy ny mamporisika ary ny manampy ny fiarahamonina manerana izao tontolo izao, amin' ny fiarovana ny tsy maha azo anombinana sy ny fahasamihafan' ny zavamananaina, ary koa ny miantoka haha ara-drariny sy maharitra ny fampiasana ny harena voajanahary.

Niorina tamin' ny 5 Ôktôbra 1948 taorian' ny fihaonambe iraisam-pirenena natao tany Fontainebleau, any Frantsa, dia nantsoina hoe Fikambanana Iraisam-Pirenena ho an' ny Fiarovana ny Zavaboary (Union internationale pour la protection de la nature -- UIPN amin' ny teny frantsay (1948–1956), International Union for the Protection of Nature -- IUPN (1948–1956) avy eo World Conservation Union -- WCU (1990–2008) amin' ny teny anglisy) izy tany am-boalohany, saingy novana amin' ny anarany ankehitriny izy tamin' ny taona 1956. Any Gland (Soisa) ny foibeny.

Mampivondrona fanjakana sy sampan-draharahan-governemanta maromaro, fikambanana tsy miankina amin' ny governemanta maherin' ny 1 100 ary manam-pahaizana sy mpahay siansa maherin' ny 10 000. Mampiasa olona maherin' ny arivo maneran-tany izy, izay miasa amin' ny tetikasa an-jatony maro. Nanampy firenena mihoatra ny 75 izy amin' ny fanomanana sy ny fampiharana paikady momba ny fiarovana sy ny fahasamihafan' ny zavamananaina.

Ny IUCN dia fantatra indrindra amin' ny fametrahana amin' ny karazan-javamananaina ny satan' ny fikajiana, izay filamatra ao amin' ny vondrom-piarahamonina siantifika, ary avy amin' ireo karazan-javamananaina ireo ny famoahany ny "lisitra menan' ny karazan-javamananana tandindomin-doza". Mitsinjara ho sokajy fito ny faritra arovana ihany koa izy.