Fiovaovan' ny toetany

Avy amin'i Wikipedia
Fiovan' ny fambolena. Misy fiatraikany ratsy amin' ny fambolena ny hain-tany sy ny fiakaran' ny maripana ary ny toetrandro mahery vaika. Texas, Etazonia.

Ny fiovaovan' ny toetany dia ny fiovana rehetra ao amin' ny lamin-drafitry ny toetany izay maharitra ela kokoa noho ny fiovana eo amin' ny toetrandro. Ny fiovaovan' ny toetany dia mitranga amin' ny fari-potoana anatin' ny taona ka hatramin' ny antapitrisa taona ary misy fiovana ny antontanisa momba ny toetany maneran-tany na ny toetany isam-paritra.

Pangea

Ireo fiovana ireo dia mety ho voajanahary vokatry ny toetran' ny Tany (fiovaovana anatiny), vokatry ny zavatra avy ety ivelany na vokatry ny asan' ny olombelona (fiovaovan' ny toetany ankehitriny vokatry ny fandefasa etona mampihiboka hafanana indrindra amin' ny fampiasana fandrehitra avy any anaty tany).

Niovaova ny toetany nandritra ny Tantaran' ny Tany, miaraka amin' ny fiovan' ny toetany eo anelanelan' ireo vanim-potoana jeôlôjika.