Sampam-piteny ôgora

Avy amin'i Wikipedia

Ny sampam-piteny ôgora na ônôgora (fantatra ihany koa amin' ny hoe sampam-piteny bolgara na bolgarika, na sampam-piteny lir-torkika) dia sampana ao amin' ny fianakaviam-piteny torkika. Ny fiteny tsovasa no hany mpikambana mbola ao amin' ilay vondrona.

Ny sampana voalohany avy amin' ny fianakaviam-piteny torkika, ny fiteny ôgora, dia mampiseho fahasamihafana lehibe amin' ny fiteny torkika hafa, izay samy manana razambe iraisana. Ny fiteny avy amin' io fianakaviana io dia notenenina tao amin' ny kônfederasiônan' ny foko mpifindrafindra monina sasany, toy ny an' ny foko maro amin' ny Ônôgora na Ôgora, ny ao amin' ny Bolgara ary ny Kazara.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]