Metôdisma
Ny metôdisma na hetsika metôdista dia firehana prôtestanta, vokatry ny fivakisana avy amin' ny Fiangonana anglikana, izay ivondronan' ny antokom-piangonana isan-karazany, nefa samy nahazo fampianarana avy amin' ny toritenin' i John Wesley tamin' ny taonjato faha-18. I George Whitefield sy i Charles Wesley rahalahin' i John dia mpitarika lehibe voalohany tao amin' ilay hetsika ihany koa.
Ny metôdisma dia nipoitra tamin' ny hetsika fifohazam-panahy tao amin' ny anglikanisma izay niorim-paka tao amin' ny Fiangonan' i Angletera tamin' ny taonjato faha-18 ary lasa antokom-pinoana nisaraka taorian' ny nahafatesan' i Wesley. Niely manerana ny Empira Britanika sy tany Etazonia ary tany ivelan' ireo faritra ireo ilay hetsika noho ny asa misiônera mahery vaika, ary ankehitriny. Tamin' ny taona 2013 niisa 80 000 000 ny metôdisma araka ny tombana nataon' ny World Methodist Council[1]. Tamin' ny taona 2019 dia niisa 38 000 000 any ho any ny olona nilaza fa Metôdista tao amin' ny firenena miisa 138[2].
Ara-tantara dia ny metôdisma no nampiely indrindra ny Fifohazam-panahy lehibe. Mitory ny famonjena amin' ny alalan' ny finoana sy ny fahatanterahan' ny mpino eto an-tany amin' ny maha famantarana voalohany amin' ny fifidianana misy fepetra azy ireo.
Ny metôdisma dia hetsika prôtestanta eran-tany nipoitra tamina vondrona mpianatra tao amin' ny Oniversiten' i Oxford, niorina tamin' ny taona 1729, ka ny mpikambana tao amin' izany vondrona izany dia nivory mba hiara-mivavaka sy handinika ny Baiboly. Ny fahamatorana nananan' ny mpikambana tao amin' ny Holy Club ("Fikambanan' ny Olomasina") tamin' ny fanatanterahany ny adidiny amin' ny maha Kristiana azy no nanomezana azy ireo ny anaram-bosotra hoe Methodists (izany hoe "mpanaraka fomba fiasa maty paika").
Mifantoka amin' ny fanamasinana sy ny fiovana vokatry ny finoana eo amin' ny toetran' ny Kristiana ny teôlôjian' i Wesley, izay tohanan' ny antokom-pinoana metôdista rehetra. Anisan' ny fotopampianarana manavaka nhy metôdisma ny fahateraham-baovao, ny fanomezana antoka, ny fahamarinana nampitaina, ary ny fankatoavana an' Andriamanitra miseho amin' ny fanatanterahana ny asam-pitiavam-bavaka. Nihevitra i John Wesley fa ny fanamasinana manontolo no fampianarana fototra ao amin' ny finoana metôdista, ary ny fampielezana izany no antony nampisian' Andriamanitra ny Metôdista. Ny Soratra Masina no fahefana voalohany (Prima Scriptura), mitodika amin' ny lovam-pampianarana kristiana koa anefa ny Metôdista, anisan' izany ireo fanekem-pinoana ara-tantara. Mampianatra ny ankamaroan' ny Metôdista fa maty ho an' ny olombelona rehetra i Jesoa Kristy, Zanak' Andriamanitra, ary afaka hahazo ny famonjena ny olombelona rehetra. Izany no foto-pampianarana arminiana, mifanohitra amin' ny an' ny kalvinisma izay milaza fa efa notendren' Andriamanitra mialoha ny famonjena ny vondron' olona voafantina. Na izany aza dia noheverina ho Metôdista kalvinista i Whitefield sy ny mpitarika maro hafa tao amin' ilay hetsika izay nitazona ny fampianarana kalvinista.
Misy fanompoam-pivavahana isan-karazany ity hetsika ity, manomboka amin' ny an' ny "fiangonana ambony" ka hatrany amin' ny an' ny "fiangonana ambany" raha ny litorjia no jerena, ankoatra ny fifohazam-panahy an-tranolay sy ny fivoriana an-toby atao amin' ny fotoana sasany amin' ny taona. Tsy manaraka fombafomba (ritoaly) firy loatra ny antokom-pinoana avy amin' ny metôdisma britanika, fa ny fanompoam-pivavahana ao amin' ny metôdisma amerikana kosa dia miovaova arakaraka ny antokom-pivavahana metôdista sy ny fiangonana isan-toerana. Mampiavaka ny fanompoam-pivavahana metôdista ny fitandremana ny fetin' ny fitiavana (na agape) atao isan-telo volana, ny fotoam-pivavahana amin' ny alina iandrasana ny taom-baovao, ary koa ny fiantsoan' ny alitara izay anasana ny olona mba hiaina ny fahateraham-baovao sy ny fanamasinana manontolo. Nitarika amin' ny fananganana fivorian' ny kilasy ho fampaherezana amin' ny fiainana kristiana ny fanantitranterana ny fitomboana ao amin' ny fahasoavana aorian' ny fahateraham-baovao (sy rehefa avy nahazo ny fanamasinina manontolo). Fantatra amin' ny fananany lova momba ny firoboroboan' ny mozika ny metôdisma, ary nandray anjara betsaka tamin' ny fanoratana ny ankamaroan' ny fihiran' ny metôdisma i Charles Wesley.
Ankoatra ny fitoriana ny Filazantsara dia fantatra amin' ny fanaovany asa fiantrana, ny fanohanany ny marary, ny mahantra ary ny ory amin' ny alalan' ny asa famindram-po izay "miboiboika avy amin' ny fitiavana an' Andriamanitra sy ny namana" asehon' ny mpino efa nahazo ny fanamasinana tanteraka, ny metôdisma. Ireo idealy ireo, izay mandrafitra ny Filazantsara Sôsialy, dia ampiharina amin' ny alalan' ny fananganana toeram-pitsaboana, fitaizana zaza kamboty, toeram-pisakafoana maimaim-poana ho an' ny tsy manana, ary sekoly, mba hanarahana ny didin' i Kristy ny amin' ny fampielezana ny Filazantsara sy hikarakarana ny olona rehetra. Fantatra teo amin' ny tantara amin' ny fanarahany ny fotopampianarana momba ny tsy fitoviany hevitra amin' izao tontolo izao (fisarahana amin' izao tontolo izao) ny metôdisma, izany dia hita taratra amin' ny fenitra nentim-paharazana momba ny fanoloran-tena amin' ny fahononan-tena, ny tsy fanaovana filokana, ny fanatrehana tsy tapaka ny fivorian' ny kilasy, ary ny fitandremana ny fifadian-kanina Zoma izay atao isan-kerinandro.
Notaomina avy amin' ny sehatra rehetra eo amin' ny fiarahamonina ny Metodista tany am-boalohany, anisan' izany ny aristôkrasia, ny hafatra anefa dia nentin' ny mpitory teny metôdista ho an' ny mpiasa sy ny mpanao heloka bevava izay amin' ny ankapobeny tsy noraharahain' ny fiangonana voalamina tamin' izany fotoana izany. Nisy vokany lehibe tany Britaina Lehibe ny Fiangonana Metôdista tamin' ireo taompolo voalohany nandrosoan' ny sarangan' ny mpiasa (1760–1820). Lasa fivavahan' ny andevo maro, izay nanangana fiangonan' ny mainty hoditra manaraka fomba metôdista tatỳ aoriana, ny metôdisma tany Etazonia.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "Member Churches". World Methodist Council. Archived from the original on 3 March 2013.
- ↑ "Our World Wide Church Family", worldmethodistcouncil.org. [Arsiva]