Metodisma

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny Metodisma dia firehana protestanta, vokatry ny fivakisana avy amin'ny Fiangonana anglikana, izay ivondronan'ny Fiangonana isan-karazany, nefa samy nahazo fampianarana avy amin'ny toritenin'i John Wesley tamin'ny taonjato faha-18. Amin'izao fotoana izao dia mahatratra any amin'ny 80 000 000 any ho any ny isan'ny mpino metodista[1]. Ara-tantara dia ny metodisma no nampiely indrindra ny Fifohazam-Panahy Lehibe.

Ny metodisma dia fihetsiketsehana protestanta eran-tany izay nipoitra avy tamina vondrona mpianatra tao amin'ny Oniversiten'i Oxford niorina tamin'ny taona 1729 ka ny mpikambana tao amin'izany vondrona izany dia nivory mba hiara-mivavaka sy handinika ny Baiboly. Ny fahamatorana nananan'ireo mpikambana tao amin'ny Holy Club ("Fikambanan'ny Olomasina") tamin'ny fanatanterahany ny adidiny amn'ny maha Kristiana azy no nanomezan'ireo namany azy ny anaram-bosotra hoe Methodists ("mpanaraka fomba fiasa maty paika").

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. http://worldmethodistcouncil.org/about/member-churches/ [tahiry]