Kosy (olona)

Avy amin'i Wikipedia

I Kosy olona resahina ao amin' ny Bokin' ny Genesisy na Jenezy (ao amin' ny Torah / Pentateoka), sy ny boky sasany ao amin' ny Baiboly hafa etsy ambany, ao amin' ny Testamenta Taloha kristiana. Voalaza fa zanak' i Hama (na Kama) izy, zafikelin' i Nôa (na Nôe), avy eo rain' i Seba (na Seba) sy Havila sy Sabta sy Rama (rain' ny Seba hafa) sy Sabteka ary Nimrôda. Rahalahin' i Mizraima sy Pota ary Kanaana izy. Atao hoe כּוּשׁ (kûš) izy amin' ny teny hebreo.

Ao amin' ny Baiboly[hanova | hanova ny fango]

I Kosy no razamben' ny Kosita, arakany lovantsofina, izay mifandray amin' ny Fanjakan' i Kosy resahina ao amin' ny Baiboly, fanjakana tany atsimon' i Ejipta sy avaratr' i Sodàna ankehitriny (Nobia fahiny), eny hatramin' ny sisin-tanin' i Etiôpia. Izy koa dia razamben' ny vodron' olona mesôpôtamiana, satria izy no rain' i Nimrôda; hita ho razamben' ny Kasita any Babilônia àry izy. Naseho ho Midianita (na Madianita) i Zipôra (na Zifôra na Sefôra), vadin' i Mosesy (na Môizy).

Misy olo-malaza iray antsoina hoe Kosy ao amin' ny Salamo faha-7 ao amin' ny Baiboly. Voalaza fa benjamita (na benjaminita) izy, izay nanome aingam-panahy ny fanoratana io salamo io. Mety ho fahavalon' i Davida mpanjaka izy, na ilay iraka nanambara tamin' ity mpanjaka ity ny fahafatesan' i Absalôma (na Absalôna) zanany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]