Nobia

Avy amin'i Wikipedia
Nobia

I Nobia dia faritra maina (tany efitra) ao amin' ny tapany avaratr' i Sodàna sy ny tendrony atsimon' i Egipta izay manamorona an' i Nily. Tamin' ny Andro Taloha dia fanjakana mahaleo tena i Nobia izay nisy mponina miteny amin' ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana. Nifarana tamin' ny taona 1970 ny fitenenana amin' ny fiteny birgidy, izay fitenim-parita notenenina tao avaratr' i Nyala ao Sodàna, ao Darfora. Ny fiteny nobiana tranainy dia nanoratana ny akamaroan' ny lahatsoratra ara-pivavahana teo anelanelan' ny taonjato faha-8 sy faha-9.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]