Jerôbôama I
I Jerôbôama I dia ilay mpanjaka nanorina ny Fanjakan' i Israely (atao hoe Fanjakan' i Samaria koa) tao amin' ny tapany avaratry ny Fanjakan' i Israely taloha izay tafasaraka tamin' ny Fanjakan' i Jodà any atsimo, araka ny Baiboly. Nanjaka teo anelanelan' ny taona 931 sy 910 tal. J.K. izy. Niteraka fisarahana ara-pivavahana teo amin' ny fanjakana avaratra sy atsimo koa izany fisarahana ara-pôlitika izany. Ao amin' ny Bokin' ny Mpanjaka roa sy ireo Bokin' ny Tantara roa no iresahana misimisy kokoa ny momba azy. Anisan' ny fokom-pirenen' i Efraima izy.
Ny anarany
[hanova | hanova ny fango]Amin' ny teny hebreo dia יָרָבְעָם / Yaraḇe‘am na Yarave‘am no anarany fa amin' ny teny grika kosa dia Ἱεροβοάμ / Hieroboám. Ny Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy dia manoratra hoe Jeroboama fa ny Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy kosa dia manoratra Jerôbôama.
Ny tantarany
[hanova | hanova ny fango]Lehilahy mpioko tamin' ny andron' i Sôlômôna
[hanova | hanova ny fango]Manamboninahitra tao amin' ny lapan' ny mpanjaka Sôlômôna (na Salômôna) i Jerôbôama[1]. Nanambara mialoha taminy ny mpaminany Ahia (na Akia) avy any Silô fa hanome fokom-pirenena folo azy Andriamanitra rehefa maty i Sôlômôna ka tsy hamela ho an' i Rehôbôama (na Rôbôama) zanak' i Sôlômôna afa-tsy fokom-pirenena roa araka ny Boky voalohan' ny Mpanjaka (1Mpanj. 11.29). Nandositra tany Egipta i Jerôbôama rehefa tratra ny tetika nataony ka nijanona tany mandra-piandriny ny hahafatesan' i Sôlômôna[2].
Mpanjakan' i Israely Avaratra
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny nankanesan' i Rehôbôama tany Sikema (na Sekema) mba hanambaràna ny maha mpanjaka azy handimby an' i Sôlômôna rainy dia nangataka tamin' i Rehôbôama i Jerôbabela sy ny vahoaka mba hanamaivana ny hetra aloa sy hanafoana ny fanompoana izay noforonin-drainy, nefa, taorian' ny fifampidinihana tamin' ny mpanolotsaina dia tsy nanaiky an' izany fangatahana izany i Rehôbôama fa vao mainka nampitombo ny hetra sy ny fanompoana aza[2].
Nioko noho izany ny fokom-pirenena folo tao Israely[3] ka nanohitra an' i Rehôbôama sady nanandratra an' i Jerôbôama ho mpanjakan' i Israely. Ny fokom-pirenena roa sisa ihany, dia ny fokom-pirenen' i Benjamina sy ny an' i Jodà no sisa tao amin' ny fanjakan' i Rehôbôama izay nomena ny anarana hoe Fanjakan' i Jodà. Nisafisy tanàna roa hataony renivohitra i Jerôbôama, dia i Sikema (na Sekema) sy i Fanoela[2].
Izany fisarahana ara-pôlitika izany dia narahin' ny fivakisana ara-pivavahana nefa mbola tao Jerosalema ihany, izay renivohitr' i Jodà, ny foiben' ny fivavahan' ny vahoakan' i Jerôbôama. Nanagana ombikely volamena tao Dana sy tao Betela anefa i Jerôbôama ka izany dia nataony tandindon' Andriamanitra[2].
Fanompoan-tsampy sy fahalavoana
[hanova | hanova ny fango]Noho ny fanahiany ny amin'ny mety hifindran' ny vahoakany mankany atsimo[1] dia nampanao asam-pisoronana sy nandidy ny vahoakany mba tsy hankany Jerosalema ao amin' ny Tempolin' i Sôlômôna i Jerôbôama ka nanasa ny vahoakany hanompo sampy sy hitondra fanatitra eo amin' ny fitoerana masina natsangany, mba hanamafy ny fahaleovan-tena ara-pôlitikan' ny Fanjakan' i Israely manoloana an' i Jerosalema sy ny Tempoly ary ny mpisorona. Izany pôlitika izany dia narahin' ny ankamaroan' ny mpanjakan' i Israely taty aoriana[2].
Indray andro raha nandoro fanatitra teo amin' ny alitara (na ôtely) tao Betela i Jerôbôama dia nanambara taminy ny mpaminany Ahia fa ho sazin' Andriamanitra izy ka tsy homena ny taranany intsony ny Fanjakan' i Israely ary i Jôsia (na Jôsiasa), mpanjakan' i Jodà amin' ny hoavy, dia handrava io fivavahana amin' ny sampy io. Notohizan' i Jerôbôama ny fanompoan-tsampiny mandra-pahafatiny na dia nandre izany fampitandremana izany izy. Taorian' ny nahafatesany dia i Nadaba zanany no nandimby azy[2].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Mpanjakan' i Israely
Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Jerôbôama I - Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Ômry - Ahaba (na Akaba) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Jôrama - Jeho - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôasy (na Jôasa) - Jerôbôama II - Zakaria - Salôma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hôsea (na Ôsea).
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ 1,0 et 1,1 Histoire visuelle de la Bible, National Geographic, Les Nouveaux Essentiels, octobre 2013, 512 p. (ISBN 9782822900331)
- ↑ 2,0 2,1 2,2 2,3 2,4 et 2,5 Encyclopédie Larousse du XXe siècle, Paris, 1932
- ↑ Ny fokon'i Robena, Simeona, Isakara, Zebolona, Dana, Naftaly, Gada, Asera, ireo antsasa-poko avy amin'i Josefa (Manase sy Efraima) ary ampahan'ny fokon'i Levy (foko mpisorona tsy manana anjara tany).