Hamas

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' ny Hamas

Ny Hamas dia hetsika islamista sy nasiônalista palestiniana ahitana sampana pôlitika sy sampana mitam-piadiana, ny Brigady Izz al-Din al-Qassam. Ny Hamas dia miasa indrindra ao Gaza, izay notantanany samirery nanomboka tamin' ny Jona 2007, taorian' ny fandreseny amin' ny fifidianana parlemantera sy ny fandroahana ny Fahefana Palestiniana taorian' ny ady an-trano tsy naharitra.

Ny teny arabo hoe حماس¨/ hamas, dia midika ara-baiteny hoe "fahavitrihana" na "hafanam-po". Fanafohezan-teny avy amin' ny hoe حركة المقاومة الإسلامية / harakat al-muqâwama al-'islâmiya, izay midika ara-bakiteny hoe "hetsika fanoherana islamika", io teny io.

Noforonin' i Sheikh Ahmed Yassin sy i Abdel Aziz al-Rantissi ary i Mohammed Taha tamin' ny taona 1987 ilay hetsika, izy telo ireo dia avy ao amin' ny Fikambanan' ny Mpirahalay Mozilmana (جمعيّة الإخوان المسلمين / Jamiat al-Ikhwan al-Muslimin), ny sata mifehy azy dia manamafy fa "tany silamo ny tanin' i Palestina". Io fikambanana io dia manohana ny fandravana ny Fanjakan' i Israely sy ny fananganana Fanjakana Islamika Palestiniana manerana ny fari-tanin' i Palestina teo ambany fiahian' ny Britanika teo aloha, na dia ny "fananganana fanjakana palestiniana feno manana ny fiandrianam-pireneny sy mahaleo tena ao anatin' ny sisin-taniny nofaritana tamin' ny 4 Jona 1967 (tsipika maitso (Israely)), ka i Jerosalema no renivohiny” dia mety hitarika ho amin' ny "fampiatiana ady".

Ny Hamas dia niandoha tamin' ny fampidiran' i Ejipta an' i Gaza tamin' ny taona 1948 ho anisan' ny taniny. Niorina nanerana ny tanim-pirenena ejipsiana ny Fikambanan' ny Mpirahalahy Mozilmana, mpanohitra lehibe an' i Nasser. Roapolo taona taty aoriana, taorian' ny Ady Enina Andro, dia tsy voafehin' ny Ejipsiana intsony ny faritr' i Gaza.

Ny Mpirahalahy Mozilmana, izay mifampiresaka amin' i Israely, no hany hery ara-pôlitika voalamina. Neken' i Israely araka izany ny fangatahan' izy ireo hamatsy vola ny môskea maro, ho takalon' ny fitoniana. Tamin' izany fotoana izany dia nandray anjara tamin' ny ady an-trano tany Libanona i Israely ary niady tamin' ny Fikambanam-Panafahana an' i Palestina, izay nampitombo ny fanafihana mahafaty olona. Tamin' ny taona 1987, "rahalahy mozilmana" maromaro avy any Gaza no nanangana ny Hamas. Niantso fanaovana jihady avy hatrany ilay fikambanana vaovao.

Ao amin' ny tontolon' ny Ady Israeliana-Palestiniana, ny Hamas dia mamaritra ny tenany ho hetsika mandray ny foto-keviny avy amin' ny Kor'any ary miady amin' ny anaran' ny finoana silamo. Ireo mpikatroka ao amn' ny Hamas, anisan' izany ireo avy amin' ny Brigady Izz al-Din al-Qassam, dia samy mikendry hamono ny miaramila sy ny sivily israeliana.

Teo anelanelan' ny Avrily 1993 sy 2005, nanao fanafihana vonotena am-polony maro, izay mikendry indrindra ny sivily, ny Hamas. Tamin' ny Avrily 2006, nanambara ilay fikambanana fa tsy hanao intsony io karazana hetsika io fa hitifitra rôkety Qassam sy balafomanga Grad any amin' ireo tanàna israeliana toa an' i Sderot, i Ashdod, i Ashkelon ary i Beer Sheba. Tamin' ny taona 2023, ny Hamas no nanao ny fanafihana lehibe tsy mbola nisy toy izany an' i Israely.

Amin' ny lafiny jeôpôlitika, ny Hamas dia heverina ho mpiara-dia amin' ny Hezbollah siita sy amin' i Iràna ao anatin' nyمحور المقاومة / Miḥwar al-Muqāwamah ("Tezan' ny Fanoherana"). Ireto farany no manome azy fitaovam-piadiana sy famatsiam-bola. Io fikambanana io koa manana fifandraisana amin' i Katara.

Na izany aza, nandritra ny ady an-trano tao Siria (nanomboka tamin' ny taona 2011), ny Hamas dia nanohana ny mpanohitra siriana teo anelanelan' ny taona 2012 sy 2017 hanoherana ny governemanta siriana tarihin' i Bashar al-Assad, mpiara-dia amin' i Iràna sy amin' ny Hezbollah ary mpikambana fototra ao amin' ny "Tezan' ny Fanoherana". Izy no nanorina ny vondrona mpikomy Aknaf Beit al-Maqdess tao Siria. Tamin' ny ady an-trano tao Iemena, ny Hamas dia nanohana ny governemanta iemenita hanohitra ny Houthi mpioko, izay mpikambana ao amin' ny "Tezan' ny Fanoherana" ihany koa. Na izany aza, ny Hamas dia namelona ny fifandraisany indray tamin' i Iràna nanomboka tamin' ny taona 2017.

Ny Hamas dia sokajîn' ny firenena maro ho hetsika mpanao asa fampihorohoroana, anisan' izany i Kanada, i Etazonia ary i Japana, toraka izany koa ny Vondrona Eorôpeana. Ny hafa, toa ny Fanjakana Mitambatra, i Aostralia ary i Ejipta, dia tsy mampihatra io teny io afa-tsy amin' ny sampany mitam-piadiana ihany. Farany, ny hafa indray, toa an' i Sina, ny ankamaroan' ny firenena arabo-mozilmana na i Nôrvezy aza, dia tsy manasokajy an' io fikambanana io ho mpampihorohoro.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]