Abdel Aziz al-Rantissi

Avy amin'i Wikipedia

I Abdel Aziz Ali Abdul Majid al-Rantisi, nomena anaram-bositra hoe "Lionan' i Palestina" no mpiara-manorina ny fikambanana palestiniana sonita islamista Hamas niaraka amin' i Sheikh Ahmed Yassin.

Teraka tao amin' ny tanànan' i Yubna akaikin' i Jaffa izy tamin' ny 23 Ôktôbra 1947. Tamin' ny 17 Avrily 2004 izy no maty nandritra ny fanafihana ana habakabaka natan' ny Israeliana tao Gaza. Atao hoe عبد العزيز علي عبد المجيد الحفيظ الرنتيسي‎; izy amin' ny teny arabo.

Lasa mpitarika ara-pôlitikan' i Hamas sy mpitondra tenin' ny Hamas tao amin' ny Salavantanin' i Gaza i Rantisi taorian' ny famonoan' ny Israeliana an' i Sheikh Ahmed Yassin, mpitarika ara-panahy ny Hamas tamin' ny Marsa 2004. Nanohitra ny fifanarahana tamin' i Israely i Rantisi ary niantso ny fananganana fanjakana palestiniana (tafiditra ao anatin' izany ny Fanjakan' i Israely manontolo) tamin’ ny alalan’ ny hetsika ara-miaramila nanoherana ny ny fanjakana jiosy.

Tamin' ny 17 Avrily 2004, namono an' i al-Rantisi ny tafika israeliana tamin' ny alàlan' ny tifitra balafomanga Hellfire avy amin' ny helikôptera AH-64 Apache teo amin' ny fiarany.