Fiangonana Ara-Pilazantsara eto Madagasikara

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fiangonana Ara-Pilazantsara eto Madagasikara na FIARAM dia anisan’ ireo fiangonana ara-pilazantsara na evanjelika miorina eto Madagasikara izay indraindray antsoina hoe "fiangonana zandriny", izay niendaka avy tamin’ ny Fiangonana Jesosy Mamonjy, izay fiangonana ara-pilazantsara ihany koa. Ny foiben-toeran' io fiangonana io dia ao Itaosy, Antananarivo.

Tantaran' ilay fiangonana[hanova | hanova ny fango]

Ny pastora Randrianasolonandrasana Rolland, no nanorina io fiangonana io tamin' ny taona 1980 tao Andavamamba Antananarivo.

Naheno feo avy any an-danitra izy, feo izay nanao hoe: "Atsangano ny fiangonako". Dia nitokam-bavaka an-tendrombohitra izy sady nifady hanina nandritra ny fitopolo andro sy fitopolo alina. Niala avy tamin' ny Fiangonana Jesosy Mamonjy izy ka nanorina fiangonana vaovao. Noho ny fankatoavana ny Tenin’ i Jesosy izay tonga taminy, araka ny voalaza ao amin' ny Filazantsaran' i Lioka (Lioka 5:37-38) manao hoe: "Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra;  Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao."

Tamin' ny voalohany dia "Tempolin' Andriamanitra" no niantsoana ilay fiangonana, fa taty aoriana izany anarana izany novana: nivavaka ka nangataka tamin' i Jesosy ny mba hanomezany anarana baovao an' ilay fiangonana Randrianasolonandrasana Rolland. Tamin' izany dia nisy taratasy nilatsaka avy tany an-danitra nisy ny anarana hoe: "Ara-Pilazantsara".

Fampianarana[hanova | hanova ny fango]

Ny fampianaran' ny Fiangonana Ara-Pilazatsara dia mifototra amin' ny Tenin' Andriamanitra, izay fandraisana ara-bakiteny ny zavatra voalaza ao amin' ny Baiboly, na eo amin' ny fampianarany na eo amin' ny fombam-pivavahany indrindraindrindra. Tsy dia imisy ny fandalinana teôlôjia fa ny Fanahy Masina ihany no mitarika azy amin' ny fahazoana ny tian' Andriamanitra hambara.

I Jesosy Kristy ihany no inoany, ary tsy manana fanekem-pinoana atao tsianjery izy. Anaram-boninahitra fotsiny ny hoe "Andriamanitra Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina" fa i Jesosy no tena anarana iantsoany an' Andriamanitra ao amin' ny Testamenta Vaovao, izay tsy iza fa i Jehovah ao amin' ny Testamenta Taloha.

Sakramenta[hanova | hanova ny fango]

Tsy manaiky ny batisan-jaza Fiangonana Ara-Pilazatsara. Ny olon-dehibe, 12 taona no miakatra, ihany no ekeny hatao batisa. Ny zaza mantsy tsy mahay mino sady tsy mahalala fahotana. Ny olon-dehibe no mahalala ny amin' ny fahotana sy mahay mino. Alohan' ny fanatanterahana ny batisa dia ampianarina aloha ilay olona mandritra roa volana na mihoatra. Ny Fiangonana Ara-Pilazatsara dia manao batisa amin' ny ranobe na renirano, ka izay olona hetsehin' ny Fanahy ihany no atao batisa.  Rehefa atao ny batisa dia tsy atao amin' ny anaran' ny Trinite (Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina) fa amin' ny anaran' i Jesosy Kristy irery ihany. Eo amin' ny batisa no andraisana ny Fanahy Masina. Ny olona vita batisa no mandray ny Fanasan' ny Tompo, izay fahatsiarovana mba ho famelan-keloka sy ho fampaherezana. Tanterahina isaky ny Alahady voaloham-bolana sy amin' ny andro Pentekôsta ny fandraisana ny Fanasan' ny Tompo.

Fizotran' ny fanompoam-pivavahana[hanova | hanova ny fango]

Mivavaka isan' andro ny Fiangonana Ara-Pilazatsara. Ny Alahady maraina sy hariva ary ny Alakamisy hariva anefa no fotoana manan-danja. Rehefa ao anaty fiangoanana dia mitokana ny lehilahy sy ny vehivavy: ny lahy amin' ny sisiny ankavia ary ny vehivavy amin' ny sisiny ankavanana. Misaron-doha ny vehivavy rehetra. Heno miverimberina ny "Haleloia" sy ny "Amen" araka ny voasoratra ao amin' ny Bokin' ny Salamo.

Amin' ny Alahady maraina dia misy fampianarana Sekoly Alahady. Aorian' io dia misy fotoana malalaka tarihin' ny loholona. Aorian' izany vao atao ny tena fotoam-pivavahana tarihin' ny pastora. Miara-mivavaka ara-bakiteny ny pastora sy ny mpino ao amin' ny Fiangonana Ara-Pilazatsara. Mandritra ny fanolorana ny fanatitra dia misy laîka roa mitondra kitapon-drakitra. Lazaina ny vaovaom-piangonana avy eo. Atao ny hira mialoha ny toriteny, mivavaka alohan' ny toriteny, vakina sy torina ny teny. Rehefa vita izany dia manao hira fideraa noho ny Tenin' Andriamanitra ary faranana ny fotoam-pivavahana. Rehefa mirava dia mijoro eo aloha mba harahabain' ny Kristiana ny pastora sy ny vadiny, ary mifampiarahaba koa ny Kristiana rehetra.

Rafitra[hanova | hanova ny fango]

Manaraka ny rafitra kôngregasiônalista toy ny ankamaroan' ny fiangonana ara-pilazantsara hafa ny Fiangonana Ara-Pilazatsara eto Madagasikara. Izao ny rafitra misy ao aminy: ny pastora, ny presbitera, ny diakona na olom-boahosotra ary ny tonia. Ny sampana misy ao dia ny Dorkasy, ny Fikambanan-dehilahy, ny Sekoly Alahady ary ny Tanora.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]