Vokatry ny Fanahy Masina
Ny vokatry ny Fanahy Masina , amin'ny Kristiana, dia ireo toetra ananan'ny olona na ny fiangonana izay miaina araka ny Fanahy Masina, araka ny voasoratra ao amin'ny Taratasy nosoratan'i Paoly ho an'ny Galatiana (Gal 5.22-23). Mifanohitra amin'ny asan'ny nofo ny vokatry ny Fanahy Masina izay voaresaka ao alohan'io toko io.
Fitanisana ny vokatry ny Fanahy Masina
[hanova | hanova ny fango]Ao amin'ny Baiboly katôlika amin'ny teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]"22 Ireto manaraka ireto kosa ny vokatry ny Fanahy: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana, 23 fahalemem-panahy, fahalalana onona: tsy misy izay Lalàna mikasika an'ireo." (Gal 5.22-23, Ny Baiboly Masina).
Ao amin'ny Baiboly prôtestanta amin'ny teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]"22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, 23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany." (Gal 5.22-23, Ny Baiboly Masina).
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- "Ny vokary ny Fanahy sy ny fanomezam-panahy Archived Aogositra 17, 2022 at the Wayback Machine", advantistalyon.com (fampianarana advantista)
- Galatianina 5.22-23, bible.com (Diem)
- "Ny vokatry ny Fanahy", eferrit.com