Epistily ho an'ny Galatiana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny Epistily ho an'ny Galatiana na Taratasin'i Masindahy Paoly ho an'ny Galatianina dia boky hita ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Testamenta Vaovao izay isan'ny atao hoe epistily. Taratasy nalefan'ny Apostoly Paoly ho an'ny fiangonana kristiana tany Galatia izany. Teo anelanelan'ny taona 50 sy 60 no nanoratana azy.

Ny anaran'ny boky[hanova | hanova ny fango]

Επιστολή προς Γαλάτες / Epistolê pros Galates no anarany amin'ny teny grika ary Epistula ad Galatas kosa amin'ny teny latina.

Ny Protestanta malagasy sy ny ankamaroan'ny Kristiana malagasy tsy katolika dia manao hoe Epistily ho an'ny Galatiana (hafohezina amin'y hoe Galatiana) fa ny Katolika malagasy kosa manao azy hoe Epistolà na Taratasin'i Masindahy Paoly ho an'ny Galatianina (hafohezina amin'ny hoe Galatianina).

Famintinana[hanova | hanova ny fango]

Vao eny am-piandohanan'ny taratasy i Paoly dia manambara ny tenany ho apostoly marina ary ny fampianarany dia fampianarana marina (Gal. 1.1-10). Nisy mantsy ireo izay nilaza fa apostoly sandoka manao fampianarana tsy izy i Paoly. Ny asa famitana iraka ataon'i Paoly dia avy amin'i Kristy sady nahazo fankatoavana avy amin'ireo Apostoly ao Jerosalema izy (Gal. 1.18 - 12.10). Nanitsy an'i Petera i Paoly raha nitsahatra tamin'ny fiaraha-misakafo tamin'ny Kristiana jentilisa izay tsy nanaraka ny Lalàn'i Mosesy (Gal. 2.1-18). Ny finoana irery ihany, hoy i Paoly, no mahavonjy, hatramin'ny andron'i Abrahama izany tamin'ny nahazoany fampanantenana avy amin'Andriamanitra. Mijiro vavolombelona i Paoly fa velon'ny finoany an'i Kristy (Gal. 2.19-20).

Fizaràn'ny boky:[hanova | hanova ny fango]

Azo zaraina telo ny epistily:

  • Arovan'i Paoly ny fahefana maha apostoly azy (1.1 - 2.)
  • Tsy ny Lalàna fa ny Finoana no mahavonjy (3.1 - 4.)
  • Tokony hiaina araka ny Fanahin'Andriamanitra (5.1 - 6.)

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ireo Epistilin'i Paoly: