Hankany amin'ny vontoatiny

Fiangonana zandriny

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiangonana zandriny, eto Madagasikara, na sekta dia ny fiangonana kristiana niforona na tonga teto Madagasikara taorian' ny fiangonana tranainy. Io teny io dia manondro indrindra ny fiangonana evanjelika, pentekôtista na ny hetsika ara-pivavahana niorina vao haingana izay nivelatra tsy miankina amin' ny antokom-pivavahana lehibe efa niorina taloha. Eto Madagasikara ihany no mampiasa io andian-teny hoe "fiangonana zandriny" io ary tsy tena mazava tsara ny famaritana mety homen' ny olona azy. Ny lahatsoratra an-gazety nany fampahalalam-baovao amin' ny haino aman-jery no matetika ahitana ny fitenenana momba ny fiangonana zandriny. Ny mpitondra fivavahana sy ny mpitondra fanjakana koa dia mampiasa azy io. Na dia nataon' ny Fiangonana lehibe ara-tantara an-jorom-bala aza, dia misy amin’ ny fiangonana zandriny no nandray fepetra mba hiditra amin' ny hetsika ekiomenika. Ny fiangonana zandriny dia mitana anjara toerana lehibe eo amin' ny fiainana ara-tsôsialy sy ara-pôlitika eto Madagasikara.

Ny fampiasana ny hoe "fiangonana zandriny"

[hanova | hanova ny fango]

Famaritana ara-potoana

[hanova | hanova ny fango]

Ny fiangonana zandriny dia ny fiangonana kristiana niforona na tonga teto Madagasikara taorian' ny fiangonana tranainy. Ny fiangonana zandriny dia matetika no naorin' ny pasitera mahaleo tena na vondron' ny mpino entanin' ny fanakarana manokana ny Baiboly na fanambaràna ara-paminaniana.

Ireo fiangonana lazaina hoe "zandriny" ireo dia matetika tsy anisan' ny lazaina na milaza tena hoe "fiangonan-dehibe" na "fiangonana ara-tantara", na "fiangonana mitana ny mahazatra" na "fiangonana zokiny" toy ny Fiangonana Loterana Malagasy, ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina, ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara, ny Eklesia Episkopaly Malagasy, ny Fiangonana Ôrtôdôksa, ohatra.

Noho izany dia voafaoka ao anatin' izany ny fiaraha-mivavaka mahaleo tena sy ny fiangonana fifohazana ary ny hetsika prôtestanta vao haingana izay manasongadina ny fanao toy ny fahagagana, ny faminaniana, na ny fanasitranana ara-panahy. Maro anefa ny fiangonana tsy manaiky ny hosokajina hoe "zandriny".

Famaritana ara-tanjaka

[hanova | hanova ny fango]

Io teny io dia azo ilazana fiangonana kely ihany koa, matetika manana mpikambana vitsy, na loharanon-karena kely, ka tsy tena fantatry ny fanjakana na ny fiarahamonina. Amin' io heviny io, ny hoe "zandriny" dia manondro ny hakelin' ilay fiangonana.

Karazana fiangonana zandriny

[hanova | hanova ny fango]

Mason-tsivana ara-potoana

[hanova | hanova ny fango]

Fiangonana niala avy amin' ny fiangonana efa nisy

[hanova | hanova ny fango]

Ny sasany amin' ny fiangonana lazaina hoe "zandriny" dia teraka noho ny fialàny avy amin' ny fiangonana tranainy (matetika fiangonana prôtestanta) na avy amin' ny fikambanana kristiana nisy teo aloha (noho ny tsy fitoviam-pomba fahazoana ny Baiboly na ny antony hafa). Ny fisarahana dia mety ho nitranga teto Madagasikara na tany ivelany.

Fiangonana vaovao tanteraka

[hanova | hanova ny fango]

Maro koa ny fiangonana izay tsy nipoitra avy tamin' ny fiangonana tranainy kokoa. Matetika ny fiangonana efa niorina taloha ela no miantso ireo fiangonana ireo hoe "sekta". Ny fiorenany dia mety teto Madagasikara na tany ivelany.

Tsy voatery ho sekta

[hanova | hanova ny fango]

Fiangonana zandriny ampangaina ho sekta

[hanova | hanova ny fango]

Matetika ny fiangonana nialana no tsy mihambahamba miantso ny fiangonana niala avy ao aminy hoe "sekta" noho ny tsy fanomezan-danjan' ireto vaovao ireto ny firaisana (firaisana sinôda, firaisana fampianarana na firaisana fanao). Indraindray dia ampangaina ho "sekta" koa ny fiangonana niforona tsy avy amin' ny fisarahana satria heverina ho tsy misy fitohizana ara-tantara amin' ny fiangonana tranainy.

Indraindray koa anefa dia enti-manalefaka na manatsaratsara fitenenana ny hoe "fiangonana zandriny", mba tsy hampiasana ny hoe "sekta", nefa tsy mitovy ny zavatra tondroina amin' ireo teny roa ireo satria misy ny fiangonana lazaina hoe "sekta" izay efa nisy ela talohan' ny fiangonana heverina ho "tsy sekta".

Fanomezana lanja

[hanova | hanova ny fango]

Ny andian-teny hoe "fiangonana zandriny" dia enti-maneho fanomezan-danja ny fiangonana niforona taoriana kokoa izay tsy sokajina ho "sekta" satria azo lazaina fa manao fampianarana marina (ôrtôdôksia).

Ny anjara toeran' ny fiangonana zandriny

[hanova | hanova ny fango]

Ny fiangonana zandriny sy ny ekiomenisma

[hanova | hanova ny fango]

Fandraisana anjara amin' ny hetsika ekiomenika

[hanova | hanova ny fango]

Misy amin' ny fiangonana zandriny no naneho ny faniriany hampandroso ny firaisan' ny maha-Kristianina, ka namerina ny vavaka nataon' i Jesoa ho an' ny firaisan' ny Fiangonana (Joany 17:21). Nanangana sehatra ho fitaizana sy fitazonana izany hevitra momba ny firaisana sy ny fiombonana izany izy ireo, hitondra anjara biriky amin' ny fiainana ekiomenikan' ny Fiangonana eto Madagasikara[1]. Ny hetsika toa ny Fiombonan' ny Fiangonana Zandriny (FIFIZA) dia maneho izany faniriana fiaraha-miasa izany. Ny FIFIIZA dia mampivondrona fiangonana evanjelika mahaleo tena maromaro, mikatsaka ny hampiray ny ezaka ataony hanamafisana ny fiantraikany ara-panahy sy ara-tsôsialy[2].

Sakana amin' ny fidirana

[hanova | hanova ny fango]

Ny fampidirana ny fiangonana zandriny ao anatin’i ny rafitra ekiomenika efa naorina, toy ny Fiombonan' ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM), dia voafetra ihany. Ny FFKM. Antony maromaro no mahatonga an' io fanilihana io: Betsaka ny fiangonana zandriny no tsy manana sata ôfisialy amin' ny maha fiangonana azy, izay manasarotra ny fandraisany anjara amin' ny fifanakalozan-kevitra ekiomenika. Ny sasany amin' ireo fiangonana ireo dia manaraka fomba fanao litorzika sy fampianarana heverin' ny fiangonana nentim-paharazana ho tsy mifanaraka amin' ny ôrtôdôksia, ka mahatonga ny tsy fahatokisana sy ny fisalasalana amin' ny fampitambarana.

Ny fiangonana zandriny sy ny fiarahamonina malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Firaisankina sy fanohanana ny fiarahamonina

[hanova | hanova ny fango]

Ny fiangonana zandriny dia miankina amin' ny soatoavina ara-kolontsaina malagasy toy ny fihavanana mba hanamafisana ny firaisankina eo anivon' ny fiarahamonina. Izy ireo dia mikarakara hetsika ara-tsôsialy toy ny fifanampiana sy ny fanohanana ny olona marefo ary ny fanelanelanana amin' ny fifanoherana, ka manampy amin' ny fitoniana ara-tsôsialy, indrindra any ambanivohitra. Ity fomba fiasa ity dia anisan' ny fomban' ny fokonolona, ​​izay rafi-piarahamonina fototra mampiroborobo ny fandraisana anjara sy ny fitantanana eny ifotony.

Fandraisana anjara ara-pôlitika sy fanilikilihana

[hanova | hanova ny fango]

Eo amin' ny lafiny pôlitika, ny fiangonana zandriny dia manana fahefana voafetra raha oharina amin’ ny fiangonana lehibe mpikambana ao amin' ny FFKM. Na izany aza, indraindray izy ireo dia mandray anjara amin' ny hetsika ara-tsôsialy na ara-pôlitika, indrindra amin' ny fotoan-tsarotra, amin' ny fanetsiketsehana ny mpanara-dia azy amin' ny soatoavina ara-panahy sy ara-môraly.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Rasolomanana Néhémie, "FFKM", fr.scribd.com
  2. "Fiombonan' ny fiangonana zandrina miisa 7 hatreto no namaly antso ao Ambohimandroso" (28-juil-2022), www.tiatanindrazana.mg