Aller au contenu

Viraty

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Alominiôma)
Ny viraty tsy voadio

Ny viraty na alominiôma dia zavatra simika manana eva Al (avy amin' ny teny latina hoe Aluminium) sy manana isa atômika 13. Ny viraty dia zava-dehibe eto an-Tany satria viraty ny 1,5 %n' ny lanja tontaliny.

Ny viraty voavoatra

Ny viraty dia metaly mangirangirana ary malemy. Fantatra amin' izy sarotra harafesina ary amin' ny hamaivany.

Izy io anefa dia mora harefesina fa amin' ny rivotra iainana. Ny faritra mikasika ny rivotra iainana dia mivadika tsikelikely ho ôksida viraty (Al2O3) miaro ny sisan' ny metaly ary miverina haingana raha ohatra ka kikisana, izy mivadika harafesina io dia tenenina hoe "protection cinétique" fa tsy "protection thermodynamique" satria mora harafesina ihany ny viraty.

Ny viraty dia alaina avy amin' ny baoksita, akora mineraly misy ôksida misy rano angalana ny aliomina. Azo alaina avy amin' ny nefelina, ny leosita, ny silimanita, ny andalozita ary avy amin' ny moskôvita koa izy.

Ny viraty dia ampiasain' ny indostria anaovana zavatra maro samihafa ary zava-dehibe izy ao amin' ny toekaren' ny tany. I Sina dia mpamoaka viraty lehibe, eo alohan' ny Amerika Avaratra (Etazonia sy Kanada).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.