Vondrona Wagner

Avy amin'i Wikipedia
Mari-pamantaran' ny Vondrona Wagner

Ny Vondrona Wagner dia fikambanana miaramila rosiana tsy miankina, izay miasa amin' ny fiantohana ny fiarovana ny tombontsoan' i Rosia ivelany. Amin' ny teny rosiana izy dia atao hoe Группа Вагнера / Gruppa Vagnera na Частная Военная Компания (ЧВК) "Вагнер" / Tchastnaia voiennaia kompania (TchVK) "Vagner", fa amin' ny teny anglisy izy dia atao hoe Private Military Company Wagner (PMC Wagner), ary amin' ny teny frantsay dia atao hoe Groupe Wagner.

Niorina tamin' i Yevgeny Prigozhin (na Evgueni Prigojine) tamin' ny 1 Mey 2014 ilay fikambanana, ôligarka izay namana akaikin' ny filoha rosiana Vladimir Putin. Ity vondrona ity dia naseho voalohany ho orinasa miaramila rosiana tsy miankina mamatsy mpikarama an' ady alohan' ny hidirany amin' ny fitadiavana harena ankibon' ny tany sy ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany, indrindra fa aty Afrika.

Firenena niasan' ny Vondrona Wagner

Niasa tany Rosia nanomboka tamin' ny taona 2014 ny Vondrona Wagner. Ny mpikarama an' ady ao amin' ny Vondrona Wagner dia nirotsaka tao Okraina (nanomboka tamin' ny 2014) tamin' ny krizy Krimeana, tamin' ny ady tao Donbass, tany Siria (nanomboka tamin' ny 2015) nandritra ny ady an-trano siriana, ary koa, araka ny filazan' ny mpikarama an' ady taloha, tany Venezoelà. Nalefa tany Afrika koa izy ireo, indrindra fa tany Sodàna (nanomboka tamin' ny 2017), tany amin' ny Repoblikan' i Afrika Afovoany (nanomboka tamin' ny 2018), ary tany Libia (nanomboka tamin' ny 2018). Ireo mpanolo-tsaina avy amin' ny Vondrona Wagner dia hita tany Malỳ tamin' ny faran' ny taona 2019 sy nandritra ny taona 2021. Nahitana mpikambana ao amin' ilay vondrona koa tany Borkina Fasô sy tatsy Môzambika (hatramin' ny 2019 ka hatramin' ny 2020) ary taty Madagasikara (nanomboka tamin' ny 2018).

Evgueni Prigojine

Nolavin' ny governemanta rosiana sy i Prigozhin tamin' ny voalohany ny fifandraisany amin' ny Vondrona Wagner, mandra-piaikin' i Prigozhin tamin' ny 2022 fa namorona an' ilay vondrona. Niasa indrindra izy nandritra ny ady tao Donbass any Okraina sy ny ady an-trano tao Siria, avy eo tany amin' ny faritra misy ady hafa. Ahiana ho nanao fanararaotana sy heloka bevava amin' ny ady ary heloka bevava amin' ny maha-olombelona tany Malỳ, tany Libia, tany amin' ny Repoblikan' i Afrika Afovoany, tany Siria ary tany Okraina ny mpikambana ao amin' ilay vondrona. Nosazin' ny Vondrona Eorôpeana tamin' ny taona 2021 ilay vondrona ary noheverin' i Etazonia nanomboka ny 20 Janoary 2023 ho fikambanana mpanao heloka bevava iraisam-pirenena, ary noheverin' i Okraina sy firenena hafa nanomboka ho fikambanana mpampihorohoro, ilay vondrona tamin' ny Febroary 2023, tao anatin' ny tontolon' ny ady nifanaovan' i Rosia sy i Okraina, izay nandraisan' ny Vondrona Wagner anjara mavitrika.

Ny Vondrona Wagner dia heverina matetika ho sampana de facto ao amin' ny Minisiteran' ny Fiarovana ao amin' ny Federasiônan' i Rosia. Miasa amin' ny fanohanana ny tombontsoan' ny Rosiana ny Wagner ary ny fitaovany dia avy amin' ny Minisiteran' ny Fiarovana Rosiana, izay manome toeram-piofanana ihany koa. Ny fampiasana ny Wagner dia ahafahana mampihena ny fahavoazan' ny miaramila rosiana isan-karazany any ivelany. Ohatra, i John Kirby, mpitondra tenin' i Etazonia, dia nanamafy fa mpikambana Wagner 50 000 no niady tany Okraina tamin' ny Desambra 2022. Tsy hita ao amin' ny rejisitra ôfisialy ireo lehilahy ireo, indraindray alaina mivantana avy any am-ponja, izay mora ataon' ny tafika rosiana sorona amin' ny fanafihana toerana sarotra tafihina, tsy misy vokany ara-pôlitika amin' ny fitondrana rosiana. Nandritra ny ady tany Okraina dia nisy ny disadisa teo amin' ny fibaikoan' i Wagner sy ny tafika rosiana ara-dalàna, indrindra fa momba ny famatsiana bala. Tamin' ny 23 Jona 2023 i Prigozhin no nanomboka fikomiana mitam-piadiana tsy naharitra tamin' ny governemanta sy ny tafika rosiana izay tsy nivadika tamin' ny Minisiteran' ny Fiarovana.

Tamin' ny 23 Aogositra 2023 dia maty tamin' ny fianjeran' ny fiaramanidina i Yevgeny Prigojine sy i Dmitri Outkin; ny fitantanana ny Vondrona Wagner dia lasan' i Anton Ielizarov, araka ny fanirian' i Evgueni Prigojine, saingy sarotra ny fandimbiasana ary ny farany dia i Pavel Prigojine, zanaky ilay mpanorina, no nandray ny vondrona.