Speyer

Avy amin'i Wikipedia
Speyer
Velarantany 42,71 km2
Isam-ponina 51 368 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna Stefanie Seiler
Firenena Alemaina
Faritany NC
Faritra NC
Ny tanànan' i Speyer

I Speyer dia tanàna ao  Rheinland-Pfalz any Alemaina izay misy mponina 51.368 eo ho eo. Eo amin' ny morony ankavian' ny onin' i Rhin no misy an' i Speyer, 25 km atsimon' i Ludwigshafen sy Mannheim, ary 21 km atsimo-andrefan' i Heidelberg.

Tononina hoe [ˈʃpaɪ̯ɐ] izy amin' ny teny alamàna ary soratana hoe Speier tamin' ny tsipelina tranainy. Fantatra amin' ny anarana hoe Spire izy amin' ny teny frantsay, teo aloha amin' ny teny anglisy dia nantsoina hoe Spiers; fa amin' ny teny alemàna palatina kosa dia Schbaija.

Naorin' ny Rômana izy io, ary iray amin' ireo tanàna tranainy indrindra any Alemaina. Ny Katedralin' i Speyer, fiangonana maromaro hafa, ary ny Altpörtel (vavahady taloha) no manerinerina amin' ny tanin' i Speyer. Ao amin’ ny katedraly, eo ambanin’ ny alitara avo, no misy ny fasan’ ny emperora valo tao amin' ny Empira Masina Rômana Jermanika sy mpanjaka alemà maro.

Nalaza noho ny "Fanoherana tao Speyer" tamin' ny 1529 ilay tanàna (atao hoe Protestation zu Speyer amin' ny teny alemana, niavian' ny teny hoe prôtestanta, nanoheran' ny printsy dimy ny fandroahana an' i Martin Lotera). Iray amin' ny tanànan' ny ShUM (fanafohezana ny hoe Shpira sy Varmaisa ary Magentza, izay anarana hebreon' i Speyer sy i Worms ary i Mainz) i Speyer izay anisan' ny Lova Iraisam-pirenenan' ny UNESCO miaraka amin' ny Tokontanin' ny Jiosy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tanàna any Alemaina sy Eorôpa Atsinanana manan-tantara tamin' ny andron' i Martin Lotera: