Wittenberg

Avy amin'i Wikipedia
Wittenberg
Velarantany 240,4 km2
Isam-ponina 45 535 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna Torsten Zugehör
Firenena Alemaina
Faritany NC
Faritra NC

I Wittenberg dia tanàna iray any amin' ny landan' i Sachsen-Anhalt any Alemaina, miorina eo amoron' ny ony Elbe. Misy mponina 45.535 eo ho eo izy io, ary renivohitry ny boriborintanin' i Wittenberg.

Noho ny toerany afovoany eo amin' ny lalana tranainy amin' ny Via Imperii hatramin' ny Andro Antenatenany, ity tanàna ity dia lasa toerana manan-danja amin' ny indostria sy amin' ny asa tanana ary amin' ny raharaham-barotra. Nanomboka tamin' ny taona 1296 ka hatramin' ny 1547, ny lapany no nisy ireo diokan' i Sachsen-Wittemberg sy ireo elektoran' i Sachsen. Araka izany, ny Oniversiten' i Wittenberg dia naorina tamin' ny taona 1502.

Toera-malaaky ny tsenan' i Wittenberg

Malaza ihany koa i Wittenberg amin' ny fifandraisany akaiky amin' ny tantaran' i Martin Lotera sy ny amin' ny fiandohan' ny Fanavaozana Prôtestanta: maro amin' ny tranobe ao aminy, toy ny fiangonan' ny lapa (atao amin' ny teny alemana hoe Schlosskirche "Fiangonan' ny Olo-masina"), no mifandray amin' ny zava-nitranga tamin' izany fotoana izany ary voaisa ho Lova Iraisam-pirenen' i UNESCO ankehitriny. Ny ampahany amin' ny efi-trano fihibohana aogostiniana izay nipetrahan' i Lotera, voalohany tamin' ny naha-monka (na moanina) azy ary avy eo tamin' ny naha-tompony azy niaraka tamin' ny vadiny Katharina von Bora sy ny zanany enina, dia voatahiry ary novana ho Tranombakok' i Lotera. Ahitana sisan-javatra navelan' i Lotera izy io, ary koa sarin' i Lotera sy sary hosodoko hafa nataon' i Lucas Cranach der Ältere ("Lucas Cranach Rainy") sy Lucas Cranach der Jüngere ("Lucas Cranach Zanany") (izay mpianaka). Ny Augusteum, izay naorina teo anelanelan' ny taona 1564 sy 1583, noho ny fisian' ny mônastera, dia lasa fahatsiarovana ankehitriny.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tanàna any Alemaina sy Eorôpa Atsinanana manan-tantara tamin' ny andron' i Martin Lotera: