Eisleben

Avy amin'i Wikipedia
Eisleben
Velarantany 143,94 km2
Isam-ponina 22 639 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna Carsten Staub
Firenena  Alemaina
Faritany NC
Faritra NC

I Eisleben dia tanàna any Alemaina, ao amin' ny faritr' i  Sachsen-Anhalt, 33 km andrefan' i Halle (Saale). Lutherstadt Eisleben no anarany ôfisialy. Ity tanàna ity, izay nandroso vokatry ny fananany toerana fitrandrahana varahina nandritra ny taonjato maro, dia fantatra indrindra amin' ny maha toerana nahaterahan' i Martin Lotera azy. Tsaroana ity mpanavao fiangonana (refôrmatôra), tsy noho ny trano nahaterahany sy ny trano nahafatesany, fa koa noho ny fisian' ny trano fiangonana Masindahy-Petera-sy-Masindahy-Paoly izay nanaovana batisa azy tamin' ny taona 1483, ny trano fiangonana Masindahy-Andrea izay nitoriany teny farany, ary i Marktplatz izay nananganana ny sarivongany tamin' ny taona 1883.

Ny Marktplatz sy ny Rathaus ary ny Fiangonana Masinday-Andrea

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tanàna any Alemaina sy Eorôpa Atsinanana manan-tantara tamin' ny andron' i Martin Lotera: