Strasburg (Uckermark)

Avy amin'i Wikipedia
Fiangonan' i Mb Maria any Strasburg

I Strasburg na Strasburg (Uckermark) dia tanàna ao amin' ny distrikan' i Vorpommern-Greifswald ao amin' ny fanjakan' i  Mecklenburg-Vorpommern, any Alemaina. Any amin' ny faritra ara-tantaran' i Uckermark no misy azy io, eo amin' ny 16 km any andrefan' i Pasewalk, ary 33 km atsinanan' i Neubrandenburg.

I Straceburch dia naorin' ny dioka Barnim I avy any Pomerania tamin' ny taona 1267 teo amin' ny toerana manan-danja stratejika akaikin' ny sisin-tany amin' i Mecklenburg any andrefana sy i Markgrafschaft Brandenburg (Margraviate any Brandenburg) any atsimo. Nomena tombontsoa natokana ho an' ny tanàn-dehibe izy io ary niara-nipetraka tamin' ny Alemàna nandritra ny Ostsiedlung (fanjanahan-tany jermanika an' i Eorôpa Atsinanana tamin' ny Andro Antenatenany). Nisy fiantraikany tamin' io faritra io ny fifandonana maharitra teo amin' i Brandenburg sy i Pomerania, ary taorian' ny nanaovan' i Frederick II avy any Brandenburg, elektoran' ny Haus Hohenzollern ("Tranon' i Hohenzollern") fanafihana mitohy tao amin' io fari-tany io, dia voatery nanolotra an' i Strasburg ho azy ireo dioka pômeraniana tamin' ny farany, araka ny Vertrag von Prenzlau ("Fifanarahana tao Prenzlau") tamin' ny taona 1479.

Nijanona ho ampahany amin' ny Faritanin' i Brandenburg tany Prosia ilay tanàna, mandra-pahatongan' ny taona 1952 nanangan' ny governemantan' i Alemana Atsinanana an' i Bezirk Neubrandenburg izay ahitana an' i Prenzlau sy i Templin ary i Strasburg izay tanànan' i Brandenburg teo aloha. Tamin' izany fotoana izany i Strasburg no renivohitry ny distrika iray amin' ny zony manokana, izay lasa anisan' ny fanjakan' i Mecklenburg-Vorpommern taorian' ny Friedliche Revolution ("Revôlisiôna Milamina") tany Alemaina Atsinanana tamin' ny taona 1989 dia.

Ny fahatsiarovana ny ady nataon' i Wolfgang Samuel, atao hoe Zazalahy Alemana, dia napetraka ao Strasburg amin' ny ampahany, dia i Strasburg izay nipetrahan' i Samuel sy ny reniny nanomboka tamin' ny volana Marsa 1945 ka hatramin' ny Desambra 1946.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tanàna any Alemaina sy Eorôpa Atsinanana manan-tantara tamin' ny andron' i Martin Lotera: