Aller au contenu

Repoblika Federaly Islamikan' i Kômôro

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' ny Repoblika Federaly Islamikan' i Kômôro 1978–2001

Ny Repoblika Federaly Islamikan' i Kômôro na République fédérale islamique des Comores (RFIC) no repoblika faharoan' i Kômôro mahaleo tena ahitana ny nosy Ngazidja (na Grande Comore) sy Nzwani (Anjouan) ary Mwali (na Mohéli). Niorina izy taorian’ ny fanonganam-panjakana tamin’ ny 13 mey 1978, nisolo toerana ny Fanjakana Kômôriana (1975-1978), nodimbiasin' ny Firaisan' i Kômôro tamin' ny taona 2001.

Lisitry ny filoham-panjakana tao amin' ny Repoblika Federaly Islamikan' i Kômôro

[hanova | hanova ny fango]

Inty ny lisitry ny filoham-panjakana kômôriana tao amin' ny Repoblika Federaly Islamikan' i Kômôro.

Anarana Fe-potoam-piasana Andraikitra
Ahmed Abdallah Abderamane 23 Mey 1978 - 3 Ôktôbra 1978 Filoha miara-mitantana ny Direktoara pôlitika-miaramila
Ahmed Mohamed
Ahmed Abdallah Abderamane 3 Ôktôbra 1978 - 25 Ôktôbra 1978 Filohan’ny Direktoara
25 Ôktôbra 1978 - 26/27 Nôvambra 1989 Filohan’ ny Repoblika voalohany
Haribon Chebani 26 Nôvambra 1989 - 27 Nôvambra 1989 Filohan' ny Repoblika vonjimaika
Said Mohamed Djohar 27 Nôvambra 1989 - 20 Marsa 1990
20 Marsa 1990 - 29 Septambra 1995 Filohan' ny Repoblika faharoa
Combo Ayouba 29 Septambra 1995 - 2 Ôktôbra 1995 Mpandrindra ny Kômity miaramilan' ny Tetezamita
Mohamed Taki Abdoulkarim 2 Ôktôbra 1995 - 5 Ôktôbra 1995 Filohan' ny Repoblika miara-mitantana vonjimaika
Said Ali Kemal
Caabi El-Yachroutu Mohamed 5 Ôktôbra 1995 - 26 Janoary 1996 Filohan' ny Repoblika vonjimaika
Said Mohamed Djohar 26 Janoary 1996 - 25 Marsa 1996 Filohan' ny Repoblika fahatelo
Mohamed Taki Abdoulkarim 25 Marsa 1996 - 6 Nôvambra 1998 Filohan' ny Repoblika fahefatra
Tadjidine Ben Said Massounde 6 Nôvambra 1998 - 30 Avrily 1999 Filohan' ny Repoblika vonjimaika
Azali Assoumani 30 Avrily 1999 - 6 Mey 1999 Lehiben' ny Etamazôron' ny Tafi-Pirenan' ny Fampandrosoana
6 Mey 1999 - 23 Desambra 2001 Filohan' ny Kômitim-Panjakana

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]