Combo Ayouba

Avy amin'i Wikipedia

I Combo Ayouba na Ayouba Combo dia kôlônely kômôriana ary mpikambana zokiolona ao tamin' ny Tafika kômôriana. Teraka tamin' ny taona 1952 izy ary maty nisy namono tamin' ny 13 Jona 2010. Avy any amin' ny nosy Nzwani izy ary nampiofanin' ilay mpikarama an' ady frantsay Bob Denard tamin' ny taompolo 1980 tany Afrika Atsimo. Maro ny fanonganam-panjakana nahavoarohirohy azy. Anisan' ireo manamboninahitra miaramila ambony indrindra tao Kômôro izy tamin' ny fotoana namonoana azy tamin' ny taona 2010.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]