Fanjakana Kômôriana
Apparence
Ny Fanjakana Kômôriana no fitondrana pôlitika voalohany an' i Kômôro mahaleo tena voaforon' ny telo amin' ny nosy lehibe efatra mandrafitra ny vondronosy Kômôro: Ngazidja (na Grande Comore) sy Mwali (na Mohéli) ary Nzwani (na Anjouan) (i Mayotte ihany no nifamatotra tamin' i Frantsa), izay nambaran' i Ahmed Abdallah Abdéremane ny fahaleovantenany tamin' ny 6 Jolay 1975. Io vanim-potoana io dia nahitana fanonganam-panjakana enina na fito, arakaraka ny mpanoratra, ary i Ali Soilih no lehilahy nahery indrindra.
Lisitry ny filoham-panjakana tao amin' ny Fanjakana Kômôriana
[hanova | hanova ny fango]Inty ny lisitry ny filoham-panjakana tao amin' ny Fanjakana Kômôriana.
Anarana | Fe-potoam-piasana | Andraikitra |
Ahmed Abdallah Abderamane | 6 Jolay 1975 - 7 Jolay 1975 | Filohan' ny governemanta |
7 Jolay 1975 - 3 Aogositra 1975 | Filoham-panjakana | |
Said Mohamed Jaffar | 3 Aogositra 1975 - 10 Aogositra 1975 | Filohan' ny Filankevi-Pirenen' ny Revôlisiôna |
10 Aogositra 1975 - 3 Janoary 1976 | Filohan' ny Filankevi-Pirenena Mpanatanteraka | |
Ali Soilih | 3 Janoary 1976 - 28 Ôktôbra 1977 | Filoham-panjakana |
28 Ôktôbra 1977 - 13 Mey 1978 | Filohan' ny Filankevi-Pirenena Mpanatanteraka | |
Said Atthoumani | 13 Mey 1978 - 23 Mey 1978 | Filohan' ny Direktoara Pôlitika-Miaramila |