Mohamed Taki Abdoulkarim

Avy amin'i Wikipedia
Mohamed Taki Abdoulkarim

I Mohamed Taki Abdoulkarim dia mpitondra fanjakana kômôriana, filohan' ny Repoblika tao Kômôro nanomboka tamin' ny 25 Marsa 1996 mandra-pahafatiny tamin' ny 6 Nôvambra 1998. Teraka tamin' ny 20 Febroary 1936 tao Mbéni (ao amin' ny nosy Ngazidja, ao amin' ny Vondronosy Kômôro, ary maty tamin' ny 6 Nôvambra 1998 tao Moroni.

I Mohamed Taki Abdulkarim dia avy amin' ny fianakaviana avo razana. Nandeha nianatra taty Madagasikara izy avy eo tany Frantsa ary nahazo diplôma injeniera momba ny asa vaventy. Rehefa niverina tany Kômôro izy dia notendren' i Said Mohamed Cheikh ho tompon' andraikitra amin' ny asa vaventy ao Nzwani izay nifankahalalany tamin' i Ahmed Abdallah Abderamane.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]