Caabi El-Yachroutu Mohamed

Avy amin'i Wikipedia

I Caabi El-Yachroutu Mohamed dia mpanao pôlitika kômôriana. Izy no filoha lefitr' i Kômôro nanomboka tamin' ny May 2002 ka hatramin' ny 27 Febroary 2006, fony izy nametra-pialana mba handray anjara amin' ny fifidianana ho filohan' ny Firaisan' i Kômôro vaovao. Raraka tamin' ny fihodinana voalohany tamin’ io fifidianana io izy.

Praiminisitra izy nanomboka amin' ny 29 Avrily 1995 hatramin' ny 27 Marsa 1996 ary filoha vonjimaika nanomboka tamin' ny 5 Ôktôbra 1995 hatramin' ny 26 Janoary 1996.

Efa sekretera jeneralin' ny Vaomieran' ny Ranomasimbe Indiana (frantsay: Commission de l'Océan Indien - COI; anglisy: Indian Ocean Commission - IOC) koa izy. Taty aoriana dia mpanohana an' i Mohamed Bacar filohan' i Nzwani izy. Andro vitsivitsy taorian' ny fanafihana an' i Nzwani tamin' ny volana Marsa 2008, izay nanonganana an' i Bacar, dia nosamborina izy, raha nanambara ny fahavononany hitolo-batana amin' ny Tafika Kômôriana.

Tamin' ny Nôvambra 2023 izy dia naneho ny fanohanany an' i Palestina tamin' ny adin' i Israely amin' ny Hamas.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]