Said Mohamed Djohar

Avy amin'i Wikipedia
I Said Mohamed Djohar

I Said Mohamed Djohar dia mpanao pôlitika kômôriana, filohan' i Kômôro tamin' ny taona 1990 ka hatramin' ny 28 Septambra 1995. Izy no filoha voalohany tonga teo amin' ny fitondrana amin' ny alalan' ny latsa-bato tsy nisy fitsabahan' ny miaramila. Ny anarany lava araka ny fomba arabo dia Djahwar al Cheikh ibn Bakr bin Salim al Alaoui al Housseini. Teraka tamin' ny 22 Aogositra 1918 tao Mahajanga (aty Madagasikara) izy ary maty ny alin' ny 22 mifoha 23 Febroary 2005 tao an-tranony tany Mitsamiouli (Kômôro).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]